عَنْ عَائِشَةَ رضي الله عنها قَالَتْ:
فَقَدْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لَيْلَةً مِنَ الْفِرَاشِ فَالْتَمَسْتُهُ فَوَقَعَتْ يَدِي عَلَى بَطْنِ قَدَمَيْهِ وَهُوَ فِي الْمَسْجِدِ وَهُمَا مَنْصُوبَتَانِ، وَهُوَ يَقُولُ: «اللهُمَّ أَعُوذُ بِرِضَاكَ مِنْ سَخَطِكَ، وَبِمُعَافَاتِكَ مِنْ عُقُوبَتِكَ، وَأَعُوذُ بِكَ مِنْكَ لَا أُحْصِي ثَنَاءً عَلَيْكَ أَنْتَ كَمَا أَثْنَيْتَ عَلَى نَفْسِكَ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 486]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), Niteny manao hoe :
Tsy nahita an'ny irak'Allah teo am-pandrina aho tamin'ny alina, Dia nokasihiko izy ary ny tànako dia nahazo teo amin’ny faladian-tongony raha mbola tao amin’ny toeram-pivavahana izy, ary nijoro tsara ireo, dia hoy izy : «Allah ô, mangataka fiarovan'ny fifalina manoloana ny fahatezeranao aho, ary ny famelanao manoloana ny famaizanao, ary mangataka fiarovana Aminao mba tsy ho afaka amin'ny fiderana Anao toy ny nideranao ny tenanao aho".
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 486]
Hoy i Aisha (R.A) : Natory teo anilan'ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary tsy nahita azy nandritra ny alina, ka nokasihiko tamin'ny tànako ny toerana fivavahany tao amin'ny efitrano. Dia tsapako fa niankohoka izy ary ny tongony roa nitsangana, avy eo izy niteny hoe :
(Mitady fialofana) sy mifona (amin'ny fifaliana manoloana ny fahatezeranao) amiko na amin'ny vahoakako, (ary) mitady fialofana aho (amin'ny famelanao) sy ny famelan-kelokao be dia be (manoloana ny famaizanao), (Ary mangataka fiarovana Aminao aho) ary amin’ny hatsaran'ny toetranao sy ny voninahitrao, satria tsy misy afaka hangataham-pamonjena afa-tsy Ianao ihany. Ka tsy misy fialofana na fiaravona amin’I Allah afa-tsy ao Aminy ihany. (Tsy mahavoaisa ny fiderana Anao aho) Tsy zakako na tsy tratrako ny halavany sy ny isany noho ny tsy fahaizako manisa ny fahasoavanao sy ny hatsaram-panahinao araka izay mendrika anao, na dia miezaka manao izany aza aho. (Toy ny nideranao ny tenanao) Ianao no nidera tena tamin'ny fiderana mendrika Anao, ka iza no afaka manao ny rariny amin'ny fiderana Anao ?!