+ -

عَن أَبِي سَعِيدٍ الخُدْرِيَّ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِذَا وُضِعَتِ الجِنَازَةُ وَاحْتَمَلَهَا الرِّجَالُ عَلَى أَعْنَاقِهِمْ فَإِنْ كَانَتْ صَالِحَةً قَالَتْ: قَدِّمُونِي، وَإِنْ كَانَتْ غَيْرَ صَالِحَةٍ قَالَتْ: يَا وَيْلَهَا أَيْنَ يَذْهَبُونَ بِهَا؟ يَسْمَعُ صَوْتَهَا كُلُّ شَيْءٍ إِلَّا الإِنْسَانَ، وَلَوْ سَمِعَهُ صَعِقَ».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 1314]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Said Al-Khodri (RA), niteny i Mpaminany (SAW) manao hoe :
“Rehefa misy ny razana ka entin’ny lehilahy eo am-bozon’izy ireo izany, dia raha olona mpanao soa izy, dia hilaza hoe : Ento mandroso haingana aho, ary raha tsy olona tsara izy, dia hilaza hoe : O! Loza ho azy, ho entinareo ho aiza izy? Mandre ny feony ny zavatra rehetra afa-tsy ny olona, ​​ary raha mandre azy izy, dia ho torana.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 1314]

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa raha napetraka teo am-pandriana ny razana iray, ary nentin'ireo lehilahy teo amin'ny vozony izany, dia raha olona mpanao ny marina izy, dia hiteny hoe : Ento aho ho amin'ny fahasambarana izay hitany eo anatrehany, ary raha tsy olona marina izy, dia hiantsoantso mafy hoe : Indrisy, ny fandringanana ho ahy, ho entina aiza aho? Noho ny fampijaliana hitany eo anoloany, dia mandre ny feony avokoa ny rehetra afa-tsy ny olona, ​​ary raha nandre izany izy, dia ho torana noho ny hamafin’ny zavatra reny.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny olona maty mpanao ny marina dia mahita vaovao tsara alohan’ny handevenana azy, fa ny tsy mpino kosa dia taitra ka mahita ny mifanohitra amin’izany.
  2. Mety ho ren’ny zavatra hafa ankoatry ny olombelona ny feo sasany, fa tsy ren’ny olombelona.
  3. Ny Sonnah dia ny mitondra ny razana eo amin'ny vozon'ny lehilahy fa tsy ny vehivavy. Satria nandrara ny vehivavy tsy hanaraka izany ny Mpaminany (S.A.W).
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Teljo saohilia Tamily Tailandia Asamia Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الجورجية الماراثية
Fanehona ny dikanteny