+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«الْمُؤْمِنُ الْقَوِيُّ، خَيْرٌ وَأَحَبُّ إِلَى اللهِ مِنَ الْمُؤْمِنِ الضَّعِيفِ، وَفِي كُلٍّ خَيْرٌ، احْرِصْ عَلَى مَا يَنْفَعُكَ، وَاسْتَعِنْ بِاللهِ وَلَا تَعْجَزْ، وَإِنْ أَصَابَكَ شَيْءٌ، فَلَا تَقُلْ لَوْ أَنِّي فَعَلْتُ كَانَ كَذَا وَكَذَا، وَلَكِنْ قُلْ قَدَرُ اللهِ وَمَا شَاءَ فَعَلَ، فَإِنَّ (لَوْ) تَفْتَحُ عَمَلَ الشَّيْطَانِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2664]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Irak'Allah (ٍS.A.W) manao hoe :
“Ny mpino matanjaka dia tsara sy tian’I Allah kokoa noho ny mpino malemy, ary ny rehetra dia tsara avokoa. Miezaha hanao izay hahasoa anao, ary mitadiava fanampiana amin’I Allah fa aza manaiky resy, ary raha misy zavatra manjo anao, dia aza miteny hoe : "Raha mba nanao izao sy izao aho". Fa lazao hoe : “Lahatr’I Allah ary izay sitrapony no ataony.” Eny tokoa fa ny teny “raha” dia manokatra ny asan’i Satana".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino dia tsara daholo, fa ny mpino izay matanjaka amin'ny finoany, ny fahavononana, ny harenany ary ny lafiny hafa amin'ny hery, dia tsara kokoa sy tian'I Allah Ilay Tsitoha noho ny mpino malemy. Avy eo dia nanoro hevitra ny mpino ny Mpaminany (S.A.W) mba hiezaka hanao izay mahasoa azy amin’ny raharahan'ny fiainana eto an-tany sy ny any ankoatra, sady miantehitra amin’I Allah Tsitoha, mitady ny fanampiany ary matoky Azy. Avy eo, ny Mpaminany (S.A.W) nandrara ny amin'ny tsy fahavitana sy ny hakamoana ary ny vesatra amin'ny fanaovana izay mahasoa amin'ny tontolo roa. Raha miezaka miasa ny mpino, miomana amin'izay ataony, mitady fanampiana amin’I Allah, ary mangataka hatsarana amin’I Allah, aorian'izany rehetra izany dia nahavita ny tokony ho ataony izy, afa-tsy ny manakina ny raharahany rehetra amin’I Allah, ary aoka izy hahafantatra fa ny safidin’I Allah Tsitoha no tsara. Raha misy loza manjo azy aorian'izany dia tsy hiteny izy hoe : “Raha mba nanao izao aho mety ho lasa an'izao sy izao aho”; “Fa ny teny (raha) manokatra ny asan’ny Satana” amin’ny fanoherana ny lahatra sy ny fanenenana amin'izay efa lasa, fa aoka kosa hiteny am-panekena sy am-pifaliana hoe : “Allah efa nandahatra ary izay tiany no nataony”. Fa izay nitranga dia araka izay tian'I Allah satria manao izay tiany Izy, ary tsy misy afaka manoatra ny didiny, ary tsy misy manaraka aorian'ny itsarany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsy mitovy ny finoan'ny olona.
  2. Tsara ny matanjaka amin'ny asa; Satria betsaka ny tombony azo aminy izay tsy azo amin'ny fahalemena.
  3. Tokony hibanjina izay mahasoa azy ny olona iray, ary hiala amin’izay tsy mahasoa azy.
  4. Ny mpino dia tsy maintsy mangataka ny fanampian’I Allah amin’ny raharahany rehetra, fa tsy miantehitra amin’ny tenany.
  5. Manaporofo ny fisian'ny lahatra sy ny anjara, fa izany akory tsy manakana ny fampiasana fomba rehetra sy ny fiezahana hitady ny tsara.
  6. Voarara ny miteny hoe “raha” noho ny fahatezerana tamin'ny fahatongan'ny loza, ary voarara ny manohitra ny didy sy ny anjara nataon’I Allah Tsitoha.