+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
أَنَّهُ كَانَ يَقُولُ إِذَا أَصْبَحَ: «اللهُمَّ بِكَ أَصْبَحْنَا، وَبِكَ أَمْسَيْنَا، وَبِكَ نَحْيَا، وَبِكَ نَمُوتُ، وَإِلَيْكَ النُّشُورُ» وَإِذَا أَمْسَى قَالَ: «بِكَ أَمْسَيْنَا، وَبِكَ أَصْبَحْنَا، وَبِكَ نَحْيَا، وَبِكَ نَمُوتُ، وَإِلَيْكَ النُّشُورُ» قَالَ: وَمَرَّةً أُخْرَى: «وَإِلَيْكَ الْمَصِيرُ».

[حسن] - [رواه أبو داود والترمذي والنسائي في الكبرى وابن ماجه] - [السنن الكبرى للنسائي: 10323]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
Hoy izy rehefa tratra ny maraina : “Allah ô, Ianao no namoha anay ny maraina, ary Ianao no nahatonga anay nahatratra ny hariva, Ianao no ivelomanay, Ianao no ahafatesanay, ary Aminao no hiverenanay” Hoy izy rehefa amin’ny hariva : “Anao no nahatraranay ny hariva, ary Anao no nahatraranay ny maraina, ary Ianao no iainanay, Ianao no hahafatesanay, ary any Aminao no hiverenanay" ary indraindray izy miteny : "Ary any Aminao no tanjona farany."

[Tsara] - - [Al-Sonan Al-Kobrà an'i Al-Nasàì - 10323]

Ny fanazavana

Rehefa tratra ny maraina i Mpaminany (S.A.W), izany dia fiantombohan'ny andro amin'ny fiposahan'ny andro, dia miteny izy hoe :
(Allah ô, tamin’ny alàlanao no nifohazanay) niroboka tao amin’ny fiarovanao, niroboka tamin’ny fahasoavanao, variana tamin’ny fahatsiarovana Anao, nitady fanampiana tamin’ny anaranao, voarakotry ny fahasoavanao, nohetsehin’ny herinao sy ny tanjakao. (Ary ianao no nahatraranay ny takariva, ary Ianao no hivelomanay, ​​ary Ianao no ahafatesanay) Izany hoe, tahaka ny teny teo aloha, izay napetraka amin'ny hariva, dia hoy izy : Allah ô, taminao no nahatraranay ny hariva, ary tamin'ny anaranao Mpanome ny fiainana no niainanay, ary amin’ny anaranao mpamono no ahafatesanay, (ary any Aminao no hiverenanay) ny hitsangananay aorian’ny fahafatesana, ary ny fisarahana rehefa tafangona dia mitohy toy izany amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toe-javatra hafa rehetra, ary tsy hiala aminy na hahafoy azy aho.
Ary nony hariva ny andro, dia hoy izy : Allah ô, ianao no nahatraranay ny hariva, ary Ianao no nahatraranay anay ny maraina, ary Ianao no ivelomanay, ary Ianao no ahafatesanay, ary any Aminao no fiverenanay) Ny fiverenana eto an-tany, ary ny fiverenana dia any amin’ny fiainana any ankoatra, satria Ianao no manome aina ahy ary Ianao no mahafaty ahy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Amporisihina ny mamaky ity Doan ity amin'ny maraina sy hariva, manaraka ny fomba fanaon'ny Mpaminany (S.A.W).
  2. Ny tsy fisian’ny mpanompo amin’ny Tompony amin’ny toe-javatra misy azy sy amin’ny fotoany rehetra.
  3. Tsara ny famakiana tonom_bavaka amin'ny maraina : manomboka amin'ny maraina ka hatramin'ny fiposahan'ny masoandro amin'ny fiandohan'ny andro, ary aorian'ny vavaka Asri ka hatramin'ny filentehan'ny masoandro, ary raha namaky izany izy aorian’ny mitataovovonana, dia ampy izany sy hahazo valisoa, ary raha namaky izany izy aorian’ny filentehan’ny masoandro dia ampy izany ary hahazo valisoa, fa ireo no fotoana famakina ny tonom_bavaka.
  4. Ny fotoana nilazany hoe : "Ary any Aminao no hiverenako" amin'ny maraina, izany dia mampahatsiahy azy ny fifohazana lehibe kokoa sy ny fitsanganana amin'ny maty rehefa maty ny olona sy hitsangana amin'ny maty amin'ny andro farany, ka izany dia fitsanganana amin'ny maty vaovao, ary andro vaovao ao amin'ny vatana dia fanahy izay tafaverina, ary olona miparitaka, ary izao maraina vaovao izao, izay noforonin’I Allah; mba ho vavolombelon’ny zanak’i Adama, ary ny fotoanany sy ny orany dia ho rakitra ho an’ny asantsika.
  5. Ny fotoana nitenenany hoe : "Ary Aminao no fiverenanay farany" amin'ny takariva, rehefa miverina avy amin'ny asany ny olona ary miparitaka amin'ny tombontsoany sy ny fivelomany mampahatsiahy azy ny fiverenana amin’I Allah, Sambatra sy Avo Indrindra.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Alimanina Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Aldoria serbianina Keniaroandia Romaniana Hongariana الموري Oromianina Kanadianina الولوف Okranianina الجورجية المقدونية الماراثية
Fanehona ny dikanteny