+ -

عَنْ أَبِي الدَّرْدَاءِ رضي الله عنه: سَمِعْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«إِنَّ اللَّعَّانِينَ لَا يَكُونُونَ شُهَدَاءَ وَلَا شُفَعَاءَ يَوْمَ الْقِيَامَةِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2598]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Darda' (R.A) niteny hoe : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
"Ny mpanozona dia tsy ho vavolombelona na mpanelanelana amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty."

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2598]

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa izay manozona matetika an'izay olona tsy mendrika izany dia mendrika mahazo sazy roa : Ny voalohany : Tsy ho vavolombelona amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty ho an’ny vahoaka tamin'ny fampitan'ny irak'izy ireo ny hafatra tamin’izy ireo, ary tsy ho raisina eto an-tany ny fijoroany ho vavolombelona nataony. Noho ny fahalotoam-pitondran-tenany dia tsy mendrika ny ho faty maritiora izy, izay ady atao noho Allah. Faharoa : Tsy hanao fanelanelanana amin’ny andro fitsanganan’ny maty ny mpino rehefa mifona ho an’ireo rahalahiny izay mendrika ny amin’ny helo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fady ny manozona, ary fahotana lehibe ny manozona tafahoatra.
  2. Ny sazy ao amin'ny hadith dia ho an'izay manozona be dia be ihany fa tsy indray mandeha na toy izany, ary satria tafiditra ao koa ny ozona azo atao, izany no lazain'ny Sharia amin'ny fanozonana ireo izay manana famaritana tsy misy fepetra, toy ny tenin'I Allah hoe : “Hozonin’I Allah ny Jiosy sy ny Kristianina”, “Ho amin’ny mpanao ratsy anie ny ozon’I Allah”, “Hozonin’I Allah anie izay manao tahaka ny vahoakan'i Lota”, “Hozonin’I Allah anie ireo izay manao sorona amin'ny zavatra hafa ankoatra an’I Allah”, “Hozonin’I Allah anie izay lehilahy maka tahaka ny vehivavy sy vehivavy maka tahaka ny lehilahy”, sy ny sisa.
  3. Porofon’ny fanelanelana ataon'ny mpino amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Tailandia Asamia Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الموري Okranianina الجورجية المقدونية الماراثية
Fanehona ny dikanteny