+ -

عَنْ سَلْمَانَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِنَّ رَبَّكُمْ حَيِيٌّ كَرِيمٌ، يَسْتَحْيِي مِنْ عَبْدِهِ إِذَا رَفَعَ يَدَيْهِ إِلَيْهِ أَنْ يَرُدَّهُمَا صِفْرًا».

[حسن] - [رواه أبو داود والترمذي وابن ماجه] - [سنن أبي داود: 1488]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Salman (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tena marina fa ny tomponareo Dia saron-kenatra no malala-tànana ka menatra amin'ny mpanompony raha mangataka Aminy dia ho averiny tana-potsiny".

[Tsara] - [Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì ary Ibn Màjah] - [Sonan Abo Daòd - 1488]

Ny fanazavana

Nanentana i Mpaminany (S.A.W) ny hananga-tànana mandritra ny fitalahoana, ary nilaza fa Allah Tsitoha dia manetry tena, ary tsy manao an-tsirambina ny fanomezana izay mahafaly ny mpanompony, ary manala izay manimba azy, (malala-tànana) izay manome tsy miandry angatahina, ka mba ahoana raha angatahina! Menatra ny mpino mpanompony Izy ny hanaisotra ny tànany rehefa avy nanangan-tànana hifona, ho poakaty sy foana, diso fanantenana noho ny valin-teniny.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Arakaraka ny anehoan’ny olona iray ny tsy fisiany eo anatrehan'I Allah sy ny fanompoany, no vao mainka hanantenany sy hanakaiky kokoa ny valiny.
  2. Ny famporisihana hanao Doan, ary tsaratsara ny mananga-tànana, ary izany no antony iray hahavoavaly ny Doan.
  3. Fanazavana ny halehiben’ny fahalalahan-tanan’I Allah sy ny famindram-pony amin’ny mpanompony.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Tailandia Asamia Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الموري Okranianina الجورجية المقدونية الماراثية
Fanehona ny dikanteny