+ -

عَنْ أَنَسٍ رضي الله عنه قَالَ:
كَانَ أَكْثَرُ دُعَاءِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «اللَّهُمَّ رَبَّنَا آتِنَا فِي الدُّنْيَا حَسَنَةً، وَفِي الآخِرَةِ حَسَنَةً، وَقِنَا عَذَابَ النَّارِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 6389]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Annas (R.A), Niteny manao hoe :
Ny Douan matetika nataon’ny Mpaminany (S.A.W) dia ny hoe : “Rabbana Àtina fì donia hassanatan wafil-àkhiraty hasanatan wakina azaban nary - izay midika hoe : Tomponay ô, omeo anay ny hatsarana eto an-tany sy ny soa any an-koatra, ary arovy amin’ny sazin’ny afobe izahay”.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W) dia tia mankamaro ny Douan, amin'ireo douan mifono hatsarana betsaka ka isan'izany ny : “Rabbana Àtina fì donia hassanatan wafil-àkhiraty hasanatan wakina azàban nary - izay midika hoe : Tomponay ô, omeo anay ny hatsarana eto an-tany sy ny soa any ankoatra, ary arovy amin’ny sazin’ny afobe izahay”. Tafiditra ao anatin’izany ny soa eto an-tany, toy ny vatsy mahafinaritra, ampy ary madio Halal, vady mendrika, zaza mahafatifaty ny maso, fialan-tsasatra, fahalalana mahasoa, asa tsara, sy ny hafa ankoatr'izany amin'ireo faniriana tsara sy mety, ary ny soa ny any ankoatra, toy ny fiarovana amin’ny famaizana any am-pasana, eo amin'ny fitsanganana, anaty afobe, fahazoana ny hafalian'I Allah, ny fandresena noho ny fahasovana mandrak'izay, ary ny fanatonana an’Ilay Tompo be famindram-po.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsara ny manao douan amin'ireny Douan mifono hatsarana betsaka sy feno, ho fakana tahaka an'i Mpaminany (S.A.W).
  2. Ny feno kokoa dia ny fanambarana douan ho amin'ny tsara eto an-tany sy any ankoatra, rehefa mangataka ny olona iray.