+ -

عَنْ شَدَّادِ بْنِ أَوْسٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«سَيِّدُ الِاسْتِغْفَارِ أَنْ تَقُولَ: اللَّهُمَّ أَنْتَ رَبِّي لاَ إِلَهَ إِلَّا أَنْتَ، خَلَقْتَنِي وَأَنَا عَبْدُكَ، وَأَنَا عَلَى عَهْدِكَ وَوَعْدِكَ مَا اسْتَطَعْتُ، أَعُوذُ بِكَ مِنْ شَرِّ مَا صَنَعْتُ، أَبُوءُ لَكَ بِنِعْمَتِكَ عَلَيَّ، وَأَبُوءُ لَكَ بِذَنْبِي فَاغْفِرْ لِي، فَإِنَّهُ لاَ يَغْفِرُ الذُّنُوبَ إِلَّا أَنْتَ» قَالَ: «وَمَنْ قَالَهَا مِنَ النَّهَارِ مُوقِنًا بِهَا، فَمَاتَ مِنْ يَوْمِهِ قَبْلَ أَنْ يُمْسِيَ، فَهُوَ مِنْ أَهْلِ الجَنَّةِ، وَمَنْ قَالَهَا مِنَ اللَّيْلِ وَهُوَ مُوقِنٌ بِهَا، فَمَاتَ قَبْلَ أَنْ يُصْبِحَ، فَهُوَ مِنْ أَهْلِ الجَنَّةِ».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 6306]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Shaddad bin Aosi (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) :
Lehiben'ny fangataham-pamelana dia ny fitenenana hoe : Allahoumma Anta Rabbi Lailaha Illa Anta; Khalaqtani Wa Ana Abdouka Wa Ana 'Ala Ahdika Wa Wa'adika Mastatwa'atou; Abou'ou Laka Bini'imatika 'Alaya; Wa Abou'ou Bizanbi; Faghfirli Fa innahou La Yaghfirou Zounouba Illa Anta. Izay midika hoe : Tompo Allah o, Ianao no tompoko, Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Ianao, Ianao no nahary ahy ary izaho no mpanomponao, Hanaraka ireo nifanekeko taminao aho sy ny fampanantenana arak’izay vitako, Arovy aho amin’ireo ratsy vitako, Miaiky ireo fahasoavanao ato amiko aho, Miaiky ny fahotako aho, Mamelà ahy, Fa tsy misy hamafa ny fahotako afa tsy ianao irery ihany. Hoy izy : “Ary izay miteny an’izany amin’ny antoandro am-patokisana tanteraka ary maty amin'ny atoandro alohan’ny ahatongavan'ny hariva, dia ho isan’ny olon’ny Paradisa izy, ary izay miteny an’izany amin’ny alina am-patokisana tanteraka ary maty amin'ny alina alohan’ny ahatongavan'ny maraina, dia ho isan’ny olon’ny Paradisa izy".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari]

Ny fanazavana

Manambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fangataham-pamelan-keloka dia misy teny tenenina, ary ny tsara sy ny lehibe indrindra amin'izany dia ny filazan'ny mpanompo hoe : “Allahomma Anta Rabbi Lailaha Illa Anta; Khalaqtani Wa Anà Abdouka Wa Ana 'Ala Ahdida Wa Wa'adika Mastata'atou; Abou'ou Laka Bini'imatika 'Alaya; Wa Abou'ou Bizanbi; Faghfirli Fa innaho La YaghfiroZounouba Illa Anta). Izay midika hoe : Tompo Allah o, ianao no tompoko, Tsy misy tompo afa tsy ianao, Ianao no nahary aho ary izaho no mpanomponao, Hanaraka ireo nifanekeko taminao aho sy ny fampanantenana arak’izay vitako, Arovy aho amin’ireo ratsy vitako, Miaiky ireo fahasoavanao teto amiko aho, Miaiky ny fahotako aho, Mamelà ahy, Fa tsy misy hamafa ny fahotako afa tsy Ianao irery ihany. Manaiky ny fanokanana an'I Allah ny mpanompo aloha, ary Allah no Mpamorona azy sy Allah tsy manana mpiara-miombona Aminy, ary mifikitra izy amin’izay nampanantenainy aAllah Tsitoha, dia ny finoana Azy sy ny fankatoavana Azy, arakizay vitany; Satria ny mpanompo na hiezaka manahoana amin'ny fanompoana ataony dia tsy hahavita manao izay rehetra nandidian’I Allah azy, na manao izay takina amin’ny fisaorana noho ny fahasoavany, fa tokony hanatona an’I Allah izy ka hitady fialofana ao Aminy, satria Izy no fialofana tsara amin’ny ratsy nataon’ilay mpanompo. Ary manaiky an-tsitrapo sy mibaboka Aminy ny fitahiany azy izy, ary miverina amin’ny tenany amin’ny fanekena sy fiaikena ny fahotany sy ny tsy fankatoavany. Aorian’izany fitalahoana amin’I Allah izany, dia mangataka amin’ny Tompony izy mba hamela ny helony mba fanaronana ny fahotany sy hiarovana azy tsy hanota amin'ny alàlan'ny fahasoava avy Aminy sy ny famelan-kelony, satria tsy misy mamela heloka afa-tsy Izy, Ilay Tsitoha, Ilay Lehibe. Avy eo niteny ny Mpaminany (S.A.W) fa iray amin'ireo tonom-bavaka vakina ny maraina sy ny alina izany, ka izay mamaky azy amim-pitokisana sy mifantoka tsara amin'ny heviny, ary mino izany amin'ny fiandohan'ny androny, eo anelanelan'ny fiposahan'ny masoandro sy ny filentehany, izany dia fotoana amin'ny atoandro, ary avy eo maty dia hiditra ao amin’ny Paradisa. Ary izay miteny izany amin’ny alina, manomboka amin’ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny mangiran-dratsy, ary maty alohan’ny mangiran-dratsy, dia hiditra ao amin’ny Paradisa.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny tonom-bavaka fangatahana famelan-keloka dia miovaova, ary ny sasany dia tsara kokoa noho ny hafa.
  2. Ny mpanompo dia tokony hifikitra amin’ny fangatahana amin’I Allah amin’ity Douan ity; Satria izy no lehiben'ny fangataham-pamelana.