عن عبد الله بن عمرو بن العاص رضي الله عنهما عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«الْكَبَائِرُ: الْإِشْرَاكُ بِاللهِ، وَعُقُوقُ الْوَالِدَيْنِ، وَقَتْلُ النَّفْسِ، وَالْيَمِينُ الْغَمُوسُ».
[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 6675]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Amro bin 'Assi (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Ny fahotana lehibe dia ny: fampiombonana an'I Allah amin'ny zavatra hafa, ny tsy fanajana Ray aman-dreny, ny vonon’olona, ny fianianana amin'ny tsy marina.”
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 6675]
Manazava ny fahotana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia ireo izay misy fandrahonana mafy ho an'ny mpanao azy eto an-tany na any ankoatra.
Ny voalohany amin'izy ireo dia ny : Fampiombonana an'I Allah amin'ny hafa : izany dia ny fanaovana na inona na inona amin'ireo karazana fanompoana rehetra ho an'ny hafa ankoatra an’I Allah, sy ny fampitoviana an’I Allah amin’ny zavatra hafa manoloana ireo zavatra voatokana ho Azy irery ihany,amin’ny maha Tompo Mpahary Azy, amin'ny maha-Tompo tompoina Azy, amin'ireo Anarany sy ireo Toetoetrany.
Ny faharoa : Ny tsy fanajana ny ray aman-dreny : izany dia izay rehetra ratsy atao amin’ny ray aman-dreny, na fiteny na fihetsika, ary ny tsy fanaovana soa aminy.
Ny fahatelo dia “famonoana olona”: Tsy amin'ny rariny, toy ny famonoana tsy ara-drariny sy an-kerisetra.
Ny fahefatra dia ny “fianianana mandetika”: izany dia fianianana lainga ary fantany tsara fa mandainga izy, izany no niantsoana azy satria mandentika ny tompony ao amin’ny fahotana na any amin’ny Afobe.