+ -

عَنْ جَابِرِ بْنِ عَبْدِ اللهِ رضي الله عنهما أَنَّهُ سَمِعَ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«إِذَا دَخَلَ الرَّجُلُ بَيْتَهُ، فَذَكَرَ اللهَ عِنْدَ دُخُولِهِ وَعِنْدَ طَعَامِهِ، قَالَ الشَّيْطَانُ: لَا مَبِيتَ لَكُمْ، وَلَا عَشَاءَ، وَإِذَا دَخَلَ، فَلَمْ يَذْكُرِ اللهَ عِنْدَ دُخُولِهِ، قَالَ الشَّيْطَانُ: أَدْرَكْتُمُ الْمَبِيتَ، وَإِذَا لَمْ يَذْكُرِ اللهَ عِنْدَ طَعَامِهِ، قَالَ: أَدْرَكْتُمُ الْمَبِيتَ وَالْعَشَاءَ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2018]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Jabir Bin Abdillah (R.A), fa izy nandre an'i Mpaminany (S.A.W) niteny hoe :
“Rehefa miditra ny tranony ny olona iray ka manonona ny anaran’Allah eo am-pidirana sy eo am-pihinanana, dia holazain’i Satana hoe : Tsy manana toerana hatoriana ianareo na hisakafoanana ny alina. Fa raha niditra ny trano ka tsy nanonona ny anaran'Allah, dia hoy i Satana : “Afaka matory ato ianaeo mandritry ny alina, ary raha tsy nanonona ny anaran’Allah teo am-pisakafoana izy, dia hoy satana : “Afaka matory ato ianareo ary afaka misakafo hariva”.

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Nandidy amin'ny fanononana ny anaran'Allah ny Mpaminany (S.A.W), rehefa miditra ao an-trano sy alohan'ny hisakafo, ary raha manonona an'Allah izy amin'ny filazana hoe : (Bismillahi) rehefa miditra ao an-tranony sy manomboka ny sakafony, dia hoy i Satana amin’ireo mpanampy azy : Tsy manana anjara hatory na hisakafo ato amin’ity trano ity ianareo, trano izay niaro tena taminareo ny tompony tamin’ny fahatsiarovana an'Allah. Fa raha ny olona iray kosa no niditra ny tranony ka tsy nanonona ny anaran’Allah teo am-pidirana na teo am-pisakafoanana, dia lazain’i Satana amin’ireo mpanampy azy fa nahatratra sakafo sy afaka matory amin'izany trano izany izy ireo.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsara ny manonona anaran’Allah rehefa miditra ao an-trano sy rehefa misakafo, satria ny Satana dia mandany ny alina manontolo ao an-trano ary mihinana ny sakafon’ny tompon-trano raha tsy nanonona ny anaran’Allah ilay Tsitoha izy ireo.
  2. Ny Satana dia manara-maso akaiky ny zanak’i Adama amin’ny asany sy ny fihetsiny ary ny raharahany rehetra, ka raha manao tsirambina ny fahatsiarovana Allah izy dia hahazo izay tadiaviny aminy ny satana.
  3. Ny fanononana ny anaran'Allah dia mandroaka devoly.
  4. Ny devoly tsirairay dia manana mpanaraka azy sy sakaizany izay mifaly amin’ny teniny sy manatanteraka ny didiny.
Fanampiny