+ -

عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الخُدْرِيِّ رضي الله عنه أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِنَّ مِنْ أَعْظَمِ الجِهَادِ كَلِمَةَ عَدْلٍ عِنْدَ سُلْطَانٍ جَائِرٍ».

[حسن لغيره] - [رواه أبو داود والترمذي وابن ماجه وأحمد] - [سنن الترمذي: 2174]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Said Al-Khodri (RA), niteny ny Mpaminany (SAW) manao hoe :
"Tena marina fa anisan'ny iray amin'ireo jiady lehibe indrindra dia ny tenin'ny fahamarinana manoloana ny mpitondra manao ny tsy rariny."

- [Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad] - [Sonan At-Tirmizì - 2174]

Ny fanazavana

Nasehon'ny Mpaminany mazava tsara fa iray amin'ireo karazana ady masina amin'ny lalan'I Allah- lehibe sy mahasoa indrindra dia ny fitenenana ny rariny sy ny marina eo anatrehan'ny mpitondra na andriana mpanao tsindrihazolena; Satria izany dia asa famporisihana amin'ny tsara sy fanakanana amin'ny ratsy, na amin’ny fiteny izany, na amin’ny soratra, na amin’ny fihetsika, na amin’ny zavatra hafa, izay hahazoana tombontsoa sy hialana amin’ny ratsy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Litoanianina Aldoria serbianina Romaniana الموري Oromianina Kanadianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny famporisina amin'ny tsara ary fandrarana amin'ny ratsy dia isan'ny ady masina.
  2. Ny fanoroana hevitra ny mpitondra dia iray amin'ireo karazana ady lehibe indrindra, saingy tsy maintsy atao amin'ny fahalalana sy ny fahendrena ary ny faharetana.
  3. Nilaza i Khattabi : Izany no lasa ady tsara indrindra; Satria izay miady amin'ny fahavalo dia misalasala eo anelanelan'ny fanantenana sy ny tahotra, ka tsy fantany na handresy izy na ho resy, fa ny mpitondra kosa dia manana ny hery feno eo an-tànany, ka raha miteny ny marina sy mandidy azy hanao izany izy, dia miharihary ho any amin'ny fahasimbana, ary mikendry ny famotehana ny tenany izy, ka lasa karazana ady tsara indrindra izany noho ny tahotra betsaka loatra ao aminy, ary voalaza hoe : Izy io no ady tsara indrindra; Satria raha nandray am-pitiavana ny teniny ny mpitondra, dia mety hiitatra amin’ny olona maro ny vokatsoa, ​​ka ho tanteraka ny tombontsoa.