+ -

عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بْنِ عُمَرَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا قَالَ: أَخَذَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ بِمَنْكِبِي، فَقَالَ:
«كُنْ فِي الدُّنْيَا كَأَنَّكَ غَرِيبٌ أَوْ عَابِرُ سَبِيلٍ»، وَكَانَ ابْنُ عُمَرَ، يَقُولُ: إِذَا أَمْسَيْتَ فَلاَ تَنْتَظِرِ الصَّبَاحَ، وَإِذَا أَصْبَحْتَ فَلاَ تَنْتَظِرِ المَسَاءَ، وَخُذْ مِنْ صِحَّتِكَ لِمَرَضِكَ، وَمِنْ حَيَاتِكَ لِمَوْتِكَ.

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 6416]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Omar (R.A) niteny izy : nandray ny soroko ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe :
“Meteza ianao eto an-tany ho toy ny mpivahiny na mpadalo fotsiny" Ary i Ibn Omar dia niteny hoe : Raha mahatratra ny hariva ianao dia aza miandry ny maraina, ary raha mahatratra ny maraina dia aza miandry ny hariva, ary araraoty amin'ny fahasalamanao ny aretinao, ary araraoty ny fahavelomanao ho amin'ny fahafatesanao.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 6416]

Ny fanazavana

I Ibn Omar (R.A) dia nilaza fa nandray azy tamin'ny sorony ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny taminy hoe : Meteza ianao eto an-tany toy ny hoe mpivahiny. Toy ny tonga tany amin’ny tanàna tsy nanananao trano hialofana, tsy nisy mponina mba hampiala voly azy, tsy misy fianakaviana sy zanaka ary olona iankinan’ny aina, izany no antony mahavariana ny olona hanadino ny Mpahary. Ary manaova mafy noho ny mpivahiny izay mandalo eny an-dàlana mitady ny tanindrazany. Satria ny vahiny dia mety honina any an-tany hafa ary monina ao, fa tsy toy ny mpandalo mikasa ny ho any an-tanindrazana, ny momba azy dia ny mijanona miala sasatra fotsiny, ary miezaka ny handeha any amin'ny taniny. Tahaka ny mpanao dia lavitra izay tsy mila afa-tsy izay hahatongavany any amin’ny toerana halehany, dia toy izany koa ny mpino eto an-tany dia tsy mila mihoatra an'izay ahatongavany any amin’ny halehany.
Nanaraka izany torohevitra izany i Ibn Omar ary niteny hoe : Raha mifoha maraina ianao dia aza miandry ny hariva, ary rehefa tratra amin'ny hariva ianao dia aza miandry ny maraina, ary ataovy ho isan'ny olon'ny fasana ny tenanao, satria ny fiainana dia tsy hialan'ny fahasalamana sy aretina ; Koa afaingano ny androm-pahasalamanao amin'ny fankatoavana mialohan'ny aretinao. Araraoty ny asa soa amin’ny fahasalamana alohan’ny hanakanan’ny aretina anao tsy hanao izany, ary araraoty ny fiainanao eto an-tany, ary angony ao izay hahasoa anao aorian’ny fahafatesanao.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Tailandia Pasito Asamia Amharika Holandia Gojratia Romaniana Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fametrahan'ny mpampianatra ny felatànany eo amin’ny sorok’ilay mpianatra rehefa mampianatra mba hampahery sy hanaitra azy.
  2. Fanombohana amin’ny torohevitra sy fitarihana ho an’izay tsy nangataka izany.
  3. Fampianarana tsara nataon'ny Mpaminany (S.A.W) tamin’ny alàlan’ny fanomezana ohatra maharesy lahatra, amin'ny teniny hoe : “Aoka ianao ho toy ny mpivahiny na mpandalo fotsiny eto an-tany”.
  4. Tsy mitovy ny dian'ny olona mankany amin'ny fiainana any ankoatra. Ny mpandalo dia manana toerana ambony amin'ny tsy firaharahina ny eto an-tany noho ny mpivahiny.
  5. Manazava ny hafohin'ny fanantenana sy ny fiomanana amin'ny fahafatesana.
  6. Ny hadith dia tsy milaza ny fialana amin'ny fitadiavana ny anjaram-pivelomana sy fandrarana ny fahafinaretana eto an-tany; Saingy manondro ny faniriana amin'ny tsy fifantohana betsaka sy hampihena izany.
  7. Ny fihazakazahana hanao asa soa alohan'ny tsy hahavitana manao azy, ary mialohany ahatongavan'ny aretina na fahafatesana hisakana amin'izany.
  8. Ny fahamendrehan'i Abdollah bin Omar (R.A) satria nisy fiantraikany taminy ny anatra avy tamin'ilay Irak'Allah (S.A.W).
  9. Ny tanindrazan'ny mpino dia Paradisa ka vahiny izy eto an-tany ary mpandeha mankany amin'ny fiainana any ankoatra, noho izany dia tsy tokony miraikitra amin'ny tanàna tsy fantany ny fony, fa ny fony dia miraikitra amin'ny tanindrazany, ary ny fijanonany eto amin’ity tany ity dia mba hanatanterahany ny filany sy ny fiomanany hody any an-tanindrazany.