1. Ny fototra
  2. Ireo fisokajiana
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Resaka “Karazany roa amin'ireo olon'ny Afobe tsy nihitako izy ireo, ny olona manana karavasy toy ny rambon’omby ikapohana olona, ​​ary ny vehivavy ratsy fitafy sy mitanjaka, mpanome fakampanahy, tsy mivoana amin'ny tsy fanarahan-dalàna, manojonojo ny lohony

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«صِنْفَانِ مِنْ أَهْلِ النَّارِ لَمْ أَرَهُمَا، قَوْمٌ مَعَهُمْ سِيَاطٌ كَأَذْنَابِ الْبَقَرِ يَضْرِبُونَ بِهَا النَّاسَ، وَنِسَاءٌ كَاسِيَاتٌ عَارِيَاتٌ مُمِيلَاتٌ مَائِلَاتٌ، رُؤُوسُهُنَّ كَأَسْنِمَةِ الْبُخْتِ الْمَائِلَةِ، لَا يَدْخُلْنَ الْجَنَّةَ، وَلَا يَجِدْنَ رِيحَهَا، وَإِنَّ رِيحَهَا لَيُوجَدُ مِنْ مَسِيرَةِ كَذَا وَكَذَا».

Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
“Karazany roa amin'ireo olon'ny Afobe tsy nihitako izy ireo, ny olona manana karavasy toy ny rambon’omby ikapohana olona, ​​ary ny vehivavy ratsy fitafy sy mitanjaka, mpanome fakampanahy, tsy mivoana amin'ny tsy fanarahan-dalàna, manojonojo ny lohony toy ny trafon-drameva, tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izy ireo ary tsy haheno ny fofony, ary ny fofony dia heno amin'ny fandehanana tahaka izao sy izao.”

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2128

Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W) dia mampitandrina amin'ny karazana olona roa amin'ireo vahoakanyizy roa ireo izay tsy nihitan'ny Mpaminany ary tsy niaina tamin'ny vanim-potoany, fa olona ho tonga aty aoriany :
Ny sokajy voalohany : Olona manana karavasy lava toy ny rambon'omby, izay ikapohana olona, ​​izy ireo dia polisy sy iraky ny herim-pamoretana midaroka olona tsy ara-drariny.
Ny sokajy faharoa : Vehivavy izay nanala ny fitafian’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fahamaotinana izay mahazatra ny vehivavy.
Toy izao ny momba azy ireo : Miboridana amin'ny endrika mivantana, mitanjaka ara-kevitra; Satria manao akanjo manify izay maneho ny vatana any anatiny, izy ireo manarona ny ampahany amin’ny vatany ary mampiseho ny ampahany hafa, ho fanehoana ny hatsarana, Mampitodika ny fon’ny lehilahy mankany any aminy noho ny fitafian’izy ireo sy ny fidoladolany eny am-pandehanana, mampieboebo ny soriny, ary mampirona ny hafa amin’ny fiviliana sy izay mandavo azy ireo amin’izany. Anisan'ny toetran'izy ireo: ny lohany dia toy ny trafon-drameva izay midoladola, ka ampitomboiny ny haben'ny lohany ary manitatra azy amin'ny famonosana fehiloha sy ny toy izany. Ny fampitoviana azy amin’ny trafon'ny rameva satria ny volony sy ny randranany dia miakatra eo ambonin’ny lohany, ary sarasarahany ny randrany amin’izay ny volony mikipaka amin'ny ilany sy amin'ny ilany, toy ny trafon'ny rameva midoladola amin'ny ilany sy ny ilany. Koa izay manana ireo toetra ireo, dia tafiditra amin'izao fampitandremana mafy izao fa tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izy ireo, na haheno ny fofony, na tsy hanatona azy, nefa ny hanitry ny Paradisa dia heno avy lavitra.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrarana ny fikapohana olona sy manao ratsy azy nefa tsy nisy fahotana vitany.
  2. Voarara ny manampy ny mpampahory amin'ny fampahoriana ataony.
  3. Fampitandrena ny vehivavy amin'ny fiboridanana sy ny fitafina mampiharihary ny vatany, ary ny fanaovana akanjo tery na manify izay mampiseho ny henatra sy ny vatana.
  4. Famporisihana ny vehivavy mpino silamo mba hifikitra amin’ny didin’Allah sy hanalavitra izay mahatezitra Azy, satria izany hahatonga an-dravehivavy ho mendrika ny famaizana maharary izay hitranga any ankoatra.
  5. Ny hadith dia isan'ny porofon’ny faminanin'i (S.A.W), araka ny nambarany ireo zava-miafina mbola tsy niseho, ary niseho tahaka ny nolazany azy.

Fanehoana ny dikan-teny

57 Ny Fiteny
EN English الإنجليزية
UR اردو الأوردية
ES Español الإسبانية
ID Indonesia الإندونيسية
UG ئۇيغۇرچە الأيغورية
BN বাংলা البنغالية
TR Türkçe التركية
RU Русский الروسية
BS Bosanski البوسنية
SI සිංහල السنهالية
HI हिन्दी الهندية
ZH 中文 الصينية
FA فارسی الفارسية
VI Tiếng Việt الفيتنامية
TL Tagalog تجالوج
KU Kurdî الكردية
HA Hausa الهوسا
PT Português البرتغالية
ML മലയാളം المليالم
TE తెలుగు التلغو
SW Kiswahili السواحيلية
MY မြန်မာ البورمية
TH ไทย التايلندية
DE Deutsch الألمانية
PS پښتو بشتو
AS অসমীয়া الأسامية
SQ Shqip الألبانية
SV Svenska السويدية
AM አማርኛ الأمهرية
NL Nederlands الهولندية
GU ગુજરાતી الغوجاراتية
KY Кыргызча القيرقيزية
NE नेपाली النيبالية
YO Yorùbá اليوروبا
LT Lietuvių الليتوانية
PRS دری الدرية
SR Српски الصربية
SO Soomaali الصومالية
TG тоҷикӣ الطاجيكية
RW Kinyarwanda الكينياروندا
RO Română الرومانية
HU Magyar المجرية
CS Čeština التشيكية
MOS Moore الموري
IT Italiano الإيطالية
OM Oromoo الأورومو
KN ಕನ್ನಡ الكانادا
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan الأذربيجانية
UZ O‘zbek الأوزبكية
UK Українська الأوكرانية
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية