1. Ny fototra
  2. Ireo fisokajiana
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Resaka Nanontaniko ny irak'Allah momba ny fahitana tampoka, ka nodidiany aho mba hanodina ny fijeriko

عَنْ جَرِيرِ بْنِ عَبْدِ اللهِ رَضيَ اللهُ عنه قَالَ:
سَأَلْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَنْ نَظَرِ الْفُجَاءَةِ فَأَمَرَنِي أَنْ أَصْرِفَ بَصَرِي.

Tatitra azo avy amin'i Jarir Bin Abdillah (R.A) niteny hoe izy :
Nanontaniko ny irak'Allah momba ny fahitana tampoka, ka nodidiany aho mba hanodina ny fijeriko".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2159

Ny fanazavana

Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) i Jarir bin Abdollah (R.A) momba ny lehilahy iray nijery tampoka ny vehivavy vahiny azy (tsy vadiny no azony vadina) tsy nisy eritreritra hafa? Koa nodidin'ny Mpaminany (S.A.W) eo noho eo izy hanodina ny tarehiny haingana any amin'ny ilany anakiray taorian'ny fahafantarany izany, ary tsy hisy fahotana eo aminy.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana hampidina ny fijery.
  2. Fampitandremana amin’ny fijerena maharitra izay voarara tsy hojerena raha sendra hita tampoka sy tsy nahy ny maso.
  3. Ao anatin'izany manambara fa efa nisy tany amin'ireo mpiara_dian'ny Mpaminany (S.A.W) ny fandrarana ny fijerena vehivavy, porofon'izany ny fanontanian'i Jarir (R.A) an'i Mpaminany (S.A.W) raha tafijery vehivavy tsy misy finiavana hafa ny tenany, ka moa ve ny lalàna mihatra aminy mitovy amin'ny lalàna mihatra amin'ny olona nanao fanahinina nijery?
  4. Mampiseho izany fa miahy ny tombontsoan’ny olombelona ny lalàna silamika, satria mandrara azy ireo tsy hijery vehivavy noho ny faharatsiana aterak'izany eo amin’ny fiainana sy any ankoatra.
  5. Fiverenan'ireo mpanara_dia tany amin’ny Mpaminany (S.A.W) sy fanontanian'izy ireo azy amin’izay manahirana azy ireo. Noho izany dia tokony hiverina any amin'ny manam-pahaizana ny vahoaka ary hanontany azy ireo momba ny zavatra nampisafotofoto azy ireo.

Fanehoana ny dikan-teny

52 Ny Fiteny
EN English الإنجليزية
UR اردو الأوردية
ES Español الإسبانية
ID Indonesia الإندونيسية
BN বাংলা البنغالية
TR Türkçe التركية
RU Русский الروسية
BS Bosanski البوسنية
SI සිංහල السنهالية
HI हिन्दी الهندية
ZH 中文 الصينية
FA فارسی الفارسية
VI Tiếng Việt الفيتنامية
TL Tagalog تجالوج
KU Kurdî الكردية
HA Hausa الهوسا
PT Português البرتغالية
ML മലയാളം المليالم
TE తెలుగు التلغو
SW Kiswahili السواحيلية
TA தமிழ் التاميلية
MY မြန်မာ البورمية
TH ไทย التايلندية
DE Deutsch الألمانية
PS پښتو بشتو
AS অসমীয়া الأسامية
SQ Shqip الألبانية
SV Svenska السويدية
AM አማርኛ الأمهرية
NL Nederlands الهولندية
GU ગુજરાતી الغوجاراتية
KY Кыргызча القيرقيزية
NE नेपाली النيبالية
LT Lietuvių الليتوانية
PRS دری الدرية
SR Српски الصربية
TG тоҷикӣ الطاجيكية
RW Kinyarwanda الكينياروندا
RO Română الرومانية
HU Magyar المجرية
CS Čeština التشيكية
MOS Moore الموري
OM Oromoo الأورومو
KN ಕನ್ನಡ الكانادا
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan الأذربيجانية
UK Українська الأوكرانية
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية