عَنْ صُهَيْبٍ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِذَا دَخَلَ أَهْلُ الْجَنَّةِ الْجَنَّةَ، قَالَ: يَقُولُ اللهُ تَبَارَكَ وَتَعَالَى: تُرِيدُونَ شَيْئًا أَزِيدُكُمْ؟ فَيَقُولُونَ: أَلَمْ تُبَيِّضْ وُجُوهَنَا؟ أَلَمْ تُدْخِلْنَا الْجَنَّةَ، وَتُنَجِّنَا مِنَ النَّارِ؟ قَالَ: فَيَكْشِفُ الْحِجَابَ، فَمَا أُعْطُوا شَيْئًا أَحَبَّ إِلَيْهِمْ مِنَ النَّظَرِ إِلَى رَبِّهِمْ عَزَّ وَجَلَّ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 181]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Sohaib (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Rehefa miditra ao amin’ny Paradisa ny olona ao amin’ny Paradisa, dia hiteny Allah hoe : Mbola mila zavatra hafa homeko ve ianareo? Dia hamaly izy ireo : Tsy efa nazavainao ve ny tarehinay? sy nampidirinao tao amin’ny Paradisa ve izahay ka namonjy anay tamin’ny helo? hoy izy : “Dia hesorina ny zavatra manakona ny maso, ka tsy nomena zavatra tsara sy tian'izy ireo mihoatry ny mijery ny Tompony, ilay Tsitoha sy Lehibe.
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 181]
Miteny i Mpaminany (S.A.W) fa rehefa miditra ao amin'ny Paradisa ny olon'ny Paradisa dia hiteny amin'izy ireo Allah ilay Tsitoha:
Misy zavatra tianareo ampiana ve ianareo?
Dia hiteny avokoa ny olon'ny Paradisa hoe : Tsy efa nataonao fotsy ve ny tavanay? Tsy nampidirinao tao amin’ny Paradisa ve izahay ka namonjy anay tamin’ny helo ianao?
Ka dia esorin’Allah ny zavatra manasaraka; Ary ny zavatra nanasaraka dia mazava sy mamirapiratra, ka tsy nomena zavatra tsara sy tian'izy ireo mihoatry ny mijery ny Tompon'izy ireo.