عَنْ المِقْدَامِ بْنِ مَعْدِي كَرِبَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«مَا مَلأَ آدَمِيٌّ وِعَاءً شَرًّا مِنْ بَطْنٍ، بِحَسْبِ ابْنِ آدَمَ أَكَلاَتٌ يُقِمْنَ صُلْبَهُ، فَإِنْ كَانَ لَا مَحَالَةَ، فَثُلُثٌ لِطَعَامِهِ، وَثُلُثٌ لِشَرَابِهِ، وَثُلُثٌ لِنَفَسِهِ».
[صحيح] - [رواه الإمام أحمد والترمذي والنسائي وابن ماجه] - [الأربعون النووية: 47]
المزيــد ...
Tatitra azo tamin'i Al-Mikidam Ibn Man'di Karib (R.A) niteny : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe :
Tsy misy zavatra fenoin'ny Olombelona ratsy mihoatra ny kibony. Ampy ny Olombelona sakafo vitsivitsy afaka mampitraka ny hazon-damosiny. Saingy raha tsy vitany mihitsy, dia aoka ary ny ampahatelony ho an'ny sakafony, ampahatelony ho an'ny fisotrony, ary ampahatelony ho an'ny rivotra iainany.
[Mari-pototra] - [رواه الإمام أحمد والترمذي والنسائي وابن ماجه] - [الأربعون النووية - 47]
Ny Mpaminany (S.A.W) dia mitarika Antsika amin'iray amin'ireo fototry ny fitsaboana, dia ny fisorohana izay iarovan'ny Olona ny fahasalamany, izay mampihena ny fomba fihinanana sakafo. Ka ny tsirairay dia tokony hihinana araka izay mety hahavoky Azy manoloana ny hanoanana, ka izany dia lasa hanome Azy hery hanatanterahana ny asa rehetra izay ilaina. Ny vavony no tena tsy maintsy fenoina, noho ny aretina mahafaty tsy tambo isaina vokatry ny fahavokisana diso tafahoatra, na ho ela na ho haingana, na anatiny na ivelany. Avy eo dia hoy ny Irakan'i Tompo Allah nanao hoe : Raha tsy maintsy voky ny Olona iray, dia aoka izy hamatra ny ampahatelon'ny sakafony, sy ny ampahatelon'ny fisotrony, ary ny ampahatelon'ny fofonainy, mba tsy ho voky loatra, na harary, na kamo amin'ny fanatanterahana izay nandidian'i Tompo Allah Azy amin'ny raharaha ara-pivavahana na amin'izao tontolo izao.