+ -

عَنْ النَّوَّاسِ بْنِ سَمْعَانَ الْأَنْصَارِيِّ رضي الله عنه عَنْ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«ضَرَبَ اللهُ مَثَلًا صِرَاطًا مُسْتَقِيمًا، وَعَلَى جَنْبَتَيْ الصِّرَاطِ سُورَانِ، فِيهِمَا أَبْوَابٌ مُفَتَّحَةٌ، وَعَلَى الْأَبْوَابِ سُتُورٌ مُرْخَاةٌ، وَعَلَى بَابِ الصِّرَاطِ دَاعٍ يَقُولُ: أَيُّهَا النَّاسُ، ادْخُلُوا الصِّرَاطَ جَمِيعًا، وَلَا تَتَعَرَّجُوا، وَدَاعٍ يَدْعُو مِنْ فَوْقِ الصِّرَاطِ، فَإِذَا أَرَادَ يَفْتَحُ شَيْئًا مِنْ تِلْكَ الْأَبْوَابِ، قَالَ: وَيْحَكَ لَا تَفْتَحْهُ، فَإِنَّكَ إِنْ تَفْتَحْهُ تَلِجْهُ، وَالصِّرَاطُ الْإِسْلَامُ، وَالسُّورَانِ: حُدُودُ اللهِ، وَالْأَبْوَابُ الْمُفَتَّحَةُ: مَحَارِمُ اللهِ، وَذَلِكَ الدَّاعِي عَلَى رَأْسِ الصِّرَاطِ: كِتَابُ اللهِ، وَالدَّاعِي مِنِ فَوْقَ الصِّرَاطِ: وَاعِظُ اللهِ فِي قَلْبِ كُلِّ مُسْلِمٍ».

[صحيح] - [رواه الترمذي وأحمد] - [مسند أحمد: 17634]
المزيــد ...

Notaterin'i An-nawwàs ibn Sam'àn (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) fa hoe:
" Nanome ohatra i Tompo Allah amin'ny làlana mahitsy, amin'ny ilan'ny roa misy tamboho, manana varavarana misokatra, ary eo am-baravarana dia misy lambam-baravarana manify, ary eo ambaravaran'ilay làlana dia misy Mpiantso milaza hoe : ry Olombelona, midira ao amin'ny làlana Ianareo rehetra ary aza misalasala, ary misy Mpiantso iray eo ambonin'ny làlana, ka raha tiany, dia hovohany ny varavarana, ka hoy Izy hoe : Lozanareo, aza sokafana, raha hanokatra izany Ianao dia ho tafiditra ao. Ny làlana dia ny finoana Islam, ilay tamboho dia fetra napetran'i Tompo Allah, ary varavarana misoka-tsokatra dia zava-boarara, ilay Mpiantso eo amin'ny làlana dia Bokin'i Tompo Allah, ary ilay Mpiantso eny amboniny dia mpananatra ao am-pon'ny Mpino rehetra ".

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad]

Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa Tompo Allah dia nanome ohatra amin'ny làlana mahitsy tsy misy fiolakolahana, amin'ny ilan'ny roa misy tamboho roa izay mandrakotra Azy, io tamboho roa io no fetran'i Tompo Allah, ka manelanelan'ny tamboho ireo dia misy varavarana misokatra, izany dia ireo zava-boarara rehetra. Ary eo am-baravarana misy lambam-baravarana manify, izay tsy hatazanan'ireo Mpandalo ny ao anatiny, ary eo ambaravaran'ilay làlana dia misy Mpiantso manoro azy ireo, milaza hoe : ry Olombelona, midira ao amin'ny làlana Ianareo rehetra, ary aza mivilivily havia na havanana, io Mpiantso io dia Bokin'i Tompo Allah. Ary mbola misy Mpiantso iray hafa eo ambonin'ny làlana; ka io Mpiantso io rehefa misy manana eritreritra hanokatra ny varavarana dia mampitandrina hoe : Lozanao ! Aza sokafana io varavarana io, raha manokatra io Ianao dia hiditra ao ary tsy ho afaka hisakana ny Tenanao tsy hiditra Ianao. Ka ilay Mpiantso eny ambony dia mpananatra ao am-pon'ny Mpino rehetra ".

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny finoana Islamo no fivavahana marina, ary io no làlana mahitsy mitondra Antsika makany amin'ny Paradisa.
  2. Voadidy hifikitra amin’ny fetran’ i Tompo Alla sy izay azo atao sy voarara, ary ny fahamaizana amin’izany dia mitarika ho amin’ny faharendrehana.
  3. Ny hasin’ny Boky masina KOROANY sy ny famporisihana amin'ny fanatanterahana izay voasoaratra ao, Satria mirakitra fitarihana sy fahazavana ary fahombiazana izany.
  4. Ny famindram-pon’ I Tompo Allah amin’ny Mpanompony sy izay napetrany ao am-pon’ny Mpino no misakana azy ireo sy manoro hevitra azy ireo tsy ho latsaka ao anatin’ny Loza.
  5. Allah, noho ny famindram-pony, dia namorona sakana ho an’ny mpanompony izay manakana azy ireo tsy ho latsaka ao amin’ny fahotana.
  6. Anisan’ny fomba sy endrika ny fampianarana dia ny fanomezana ohatra mba entina hitondrana ireo fanazavana hitondra amin'ny fanakakaizana kokoa.