+ -

عَنْ جَابِرِ بْنِ عَبْدِ اللَّهِ رضي الله عنهما أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لَا تَعَلَّمُوا الْعِلْمَ لِتُبَاهُوا بِهِ الْعُلَمَاءَ، وَلَا لِتُمَارُوا بِهِ السُّفَهَاءَ، وَلَا تَخَيَّرُوا بِهِ الْمَجَالِسَ، فَمَنْ فَعَلَ ذَلِكَ، فَالنَّارُ النَّارُ».

[صحيح] - [رواه ابن ماجه] - [سنن ابن ماجه: 254]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Jàbir bin Abdillah (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe :
" Aza mianatra fahalalana Ianareo ka ho entina hifaninanana amin' ireo manam-pahalalana, na koa ho entina hanambanina ireo tsy mahalala, na koa ho entina hahazoana toerana tsara, fa izay manao izany dia Afobo Afobe".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Ibn Màjah]

Ny fanazavana

Nampitandrina i Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny fitadiavana fahalalana noho ny fireharehana sy ny fisehosehoana amin’ireo manam-pahaizana, na ny hanehoana fa manam-pahaizana toa anareo aho, na entina miresaka sy miady hevitra amin’ireo bado sy malemy- saina, na koa hianarana mba hazoana toerana, omena laharam-pahamehana noho ny hafa. Fa izay manao izany dia; miendrika azy ny afobe noho ny fisehosehoany amin'ny asany ary tsy fisian'ny fahadiovam-po amin'ny fitadiavany ny fahalalana ho an'i Allah.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrahonana amin'ny afobe ho an'izay mianatra fahalalana mba hirehareha momba izany, hiady hevitra momba izany, ary hahazo toerana tsara, sns.
  2. Ny maha-zava-dehibe ny fikasana marina sy fahadiovam-po ho an'ireo izay mianatra sy mampianatra fahalalana.
  3. Ny fikasana dia fototry ny asa ary amin'izany no hamaliana ny olona.