عَنِ ابْنِ عَبَّاسٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا قَالَ: قَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«نِعْمَتَانِ مَغْبُونٌ فِيهِمَا كَثِيرٌ مِنَ النَّاسِ: الصِّحَّةُ وَالفَرَاغُ».
[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 6412]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Misy fahasoavana roa no adinodinon'ny olona maro : Ny fahasalamana sy ny fanànana fotoana malalaka.”
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 6412]
Nilaza momba ny fahasoavana roa lehibe avy amin'I Allah ho an'ny olombelona i Mpaminany (S.A.W), izay maro no very noho ny nandaniany izany tamin'ny fomba diso : Ka raha nitambatra tamin'ny olona iray ny fahasoavan'ny fahasalamana sy ny fanànany fotoana malalaka, ary ny hakamoana mandresy azy amin'ny fankatoavana, dia izy no maty antoka. Izany no mitranga amin’ny ankamaroan’ny olona, ary raha mampiasa ny fotoanany malalaka sy ny fahasalamany izy mba hankatò an’I Allah, dia izy no mpandresy. Satria ity tontolo ity dia toeram-pambolena any ankoatra, ary misy varotra izay atao ka any ankoatra no handraisana ny tombom-barotra, ary ny fahabangana dia arahin'ny asa, ary ny fahasalamana dia arahin'ny aretina, ary raha tsy misy afa-tsy ny fahanterana dia ampy izay.