عن جرير بن عبد الله رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«مَنْ لَا يَرْحَمِ النَّاسَ لَا يَرْحَمْهُ اللهُ عَزَّ وَجَلَّ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 2319]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin’i Jarir bin Abdillah Al-Qusri (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay tsy mamindra Fo amin'ny Olona, dia tsy hamindra ao aminy ihany koa i Allah ilay avo Tsitoha."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 2319]

Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa na iza na iza tsy mamindra Fo amin’ny Olona dia tsy hamindra Fo Aminy ihany koa i Tompo Allah ilay avo Tsitoha ka ny fangorahan’ny Mpanompo iray amin’ny zavaboary no iray amin’ireo antony lehibe indrindra ahazoany ny famindram-pon’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ilaina ny fangoraham-po ho an’ny zavaboary rehetra, saingy tokony hotononina manokana ny Olona noho ny fiahiany Azy.
  2. i Tompo Allah ilay avo Tsitoha no Mpamindra Fo indrindra ary mamindra Fo amin’ny Mpanompony be famindram-po, koa ny valisoa dia mitovy amin’ny Asa izay natao
  3. Ny fangoraham-po amin'ny olona dia ny fanomezana Soa azy ireo, ny fandroahana ny Ratsy amin'izy ireo, ary ny fitondrana Azy tsara.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (67)