+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه عن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«مَنْ كَانَ يُؤْمِنُ بِاللهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ فَلْيَقُلْ خَيْرًا أَوْ لِيَصْمُتْ، وَمَنْ كَانَ يُؤْمِنُ بِاللهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ فَلْيُكْرِمْ جَارَهُ، وَمَنْ كَانَ يُؤْمِنُ بِاللهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ فَلْيُكْرِمْ ضَيْفَهُ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 47]
المزيــد ...

Arakan'ny petra-bolana izay notaterin'ny Abo-Horairah (R.d), fa ny Irakan'i Tompo Allah (S.W.A) Nilaza ka nanao hoe :
“Izay mino an’Allah sy ny Andro farany dia aoka hiteny tsara na hangina, ary izay mino an'i Allah sy ny Andro farany dia aoka hanao tsara amin'ny mpifanolo-body rindrina aminy; ary izay mino an'i Allah sy ny Andro farany dia aoka hikarakara tsara ny vahininy.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (saw) fa ny mpanompo izay mino an’Allah sy ny andro farany, izay hiverenany sy hahazoany valisoa amin'ny asany, dia ampirisihin'ny finoany hanao ireo toetra ireo. :
Ny voalohany: ny teny tsara: avy amin’ny fiderana sy fanokanana an’Allah, ny fibaikoana ny tsara, ny fandrarana ny tsy mety, ary ny fampihavanana ny olona raha tsy manao izany izy, dia tokony hangina, tsy hanisy ratsy azy, ary hiaro ny lelany.
Faharoa: Fanajana ny mpiara-belona: amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy aminy fa tsy manisy ratsy azy.
Fahatelo: Manaja ny vahiny tonga mamangy anao: amin’ny fitenenana amim-pahalemem-panahy, amin’ny fanomezana sakafo, sy ny toy izany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina Okranianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny finoana an’Allah sy ny andro farany no niandohan’ny soa rehetra ary mandrisika ny olona hanao ny tsara.
  2. Fampitandremana amin'ny voka-dratsy ateraka avy amin'ny lela.
  3. Ny fivavahan'ny silamo dia fivavahan'ny fitiavana sy ny fahalalahan-tanana.
  4. Anisan’ny sampan’ny finoana sy ny fahalalam-pomba mendri-piderana ireo toetra ireo.
  5. Ny firesahana tafahoatra dia mety hitarika amin’ny zavatra tsy tiana na voarara, ary ny tsy fitenenana afa-tsy ny amin’ny zavatra tsara no azo antoka.