عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«مَنْ غَدَا إِلَى الْمَسْجِدِ أَوْ رَاحَ أَعَدَّ اللهُ لَهُ فِي الْجَنَّةِ نُزُلًا، كُلَّمَا غَدَا أَوْ رَاحَ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 669]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay mankany amin'ny moske amin'ny maraina na amin'ny fialan-tsasatra, dia hanomanan'I Allah trano ao amin'ny Paradisa ho azy, isaky ny mandeha maraina na miala sasatra izy."
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 669]
Nanome vaovao mahafaly i Mpaminany (S.A.W) ho an'izay tonga tao amin'ny moske hamonjy ny fanompoam-pivavahana, fahalalana, na tanjona tsara hafa amin'ny fotoana rehetra; amin'ny fiandohan'ny andro na amin'ny fiafaran'ny andro dia Allah nanomana toerana sy fampiantranoana ho azy ao amin'ny Paradisa, isaky ny tonga ao amin'ny moske izy, na andro na alina.