عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«صَلَاةُ الرَّجُلِ فِي جَمَاعَةٍ تَزِيدُ عَلَى صَلَاتِهِ فِي بَيْتِهِ وَصَلَاتِهِ فِي سُوقِهِ بِضْعًا وَعِشْرِينَ دَرَجَةً، وَذَلِكَ أَنَّ أَحَدَهُمْ إِذَا تَوَضَّأَ فَأَحْسَنَ الْوُضُوءَ، ثُمَّ أَتَى الْمَسْجِدَ لَا يَنْهَزُهُ إِلَّا الصَّلَاةُ، لَا يُرِيدُ إِلَّا الصَّلَاةَ، فَلَمْ يَخْطُ خَطْوَةً إِلَّا رُفِعَ لَهُ بِهَا دَرَجَةٌ، وَحُطَّ عَنْهُ بِهَا خَطِيئَةٌ، حَتَّى يَدْخُلَ الْمَسْجِدَ، فَإِذَا دَخَلَ الْمَسْجِدَ كَانَ فِي الصَّلَاةِ مَا كَانَتِ الصَّلَاةُ هِيَ تَحْبِسُهُ، وَالْمَلَائِكَةُ يُصَلُّونَ عَلَى أَحَدِكُمْ مَا دَامَ فِي مَجْلِسِهِ الَّذِي صَلَّى فِيهِ، يَقُولُونَ: اللهُمَّ ارْحَمْهُ، اللهُمَّ اغْفِرْ لَهُ، اللهُمَّ تُبْ عَلَيْهِ، مَا لَمْ يُؤْذِ فِيهِ، مَا لَمْ يُحْدِثْ فِيهِ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 649]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
"Ny soalat miangona ataon'ny olona dia mihoatra ny roapolo manana amby ambaratonga, noho ny soalat ataony ao an-tranony sy any an-tsenany. Satria raha misy ny iray amin'izy ireo nanao ozò ka nataony tsara ny ozò-ny, avy eo dia tonga tao amin'ny moske, tsy nisy nanetsika azy afa-tsy ny soalat ihany, ary ny hivavaka ihany no nilainy, ka isaky ny mamindra izy dia ho ampiakarin'I Allah arak'izany ny voninahiny, ary ho fafany arak'izany ny fahotany mandram-pidirany any amin'ny moske. Rehefa miditra ny moske izy dia efa tafiditra ao anaty soalat raha toa ka ny soalat no mitazona azy ao aminy (moske), ary ny Anjely mivavaka ho an’ny anankiray aminareo raha mbola eo amin’ny toerana nivavahany izy, ka hiteny manao hoe : Allah ô, mamindrà fo aminy, Allah ô, mamelà azy, Allah ô, raiso ny fibebahany, raha mbola tsy nanao ratsy izy, na koa namoaka loto kely (mbola tsy simba ny ozò-ny)".
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 649]
Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa raha miara-mivavaka ny mpino silamo dia roapolo manana amby avo heny noho ny vavaka ataony ao an-tranony na eny an-tsena ny vavaka ataony. Nolazainy avy eo ny anton'izany : dia ny hoe raha misy olona iray midio ary manao izany tsara ka mivoaka ho any amin'ny moske ary tsy nivoaka ny trano raha tsy amin'ny fikasana hivavaka, ka isaky ny mamindra izy afa-tsy hoe ampitomboana arak'izany ny voninahiny, ary nofanana arak'izany ny fahotany. Rehefa miditra ao amin’ny moske izy ka mipetraka miandry ny soalat, dia hahazo valisoa amin’izany izy raha mbola miandry ny soalat no ijanonany , ary ny Anjely mivavaka ho azy raha mbola eo amin’ny toerana izay nivavahany izy, miteny izy manao hoe: “Allah ô, mamelà ny helony, Allah ô, mamindrà fo aminy, Allah ô, mibebaha ho azy”, raha tsy hoe nanapaka ny ozò izy, na manao zavatra manaratsy ny olona na anjely.