عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الْخُدْرِيِّ وَأَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنهما عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«يُنَادِي مُنَادٍ: إِنَّ لَكُمْ أَنْ تَصِحُّوا فَلَا تَسْقَمُوا أَبَدًا، وَإِنَّ لَكُمْ أَنْ تَحْيَوْا فَلَا تَمُوتُوا أَبَدًا، وَإِنَّ لَكُمْ أَنْ تَشِبُّوا فَلَا تَهْرَمُوا أَبَدًا، وَإِنَّ لَكُمْ أَنْ تَنْعَمُوا فَلَا تَبْأَسُوا أَبَدًا» فَذَلِكَ قَوْلُهُ عَزَّ وَجَلَّ: {وَنُودُوا أَنْ تِلْكُمُ الْجَنَّةُ أُورِثْتُمُوهَا بِمَا كُنْتُمْ تَعْمَلُونَ} [الأعراف: 43].
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2837]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abi Said Al-Khodri (R.A) sy i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Hiantso ny mpiantso manao hoe : Anareo dia ho salama ka tsy harary intsony, ary anareo ho velona ka tsy ho faty intsony, ary anareo ho tanora ka tsy ho antitra intsony, ary hosoavina ianareo ka tsy ho ory intsony" Izany dia ilay tenin'Allah manao hoe : {Ary antsoina ianareo ary hampidirina ao amin'ny Paradisa ianareo valin'izay nataonareo } [Al-A’raf: 43].
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2837]
Milaza i Mpaminany (S.A.W) fa hisy mpiantso hiantso ny olon'ny Paradisa raha mbola ao anatin'ny mankafy fahafinaretana izy ireo : "Ianareo dia ho salama ka tsy harary na oviana na oviana ao amin'ny Paradisa, na dia aretina kely aza. Ary ho velona ianareo ka tsy ho faty intsony ao, na dia torimaso aza, izay fahafatesana kely, ary ho tanora lalandava ianareo ka tsy mihantitra mihitsy, ary hiaina ao anatin'ny fahafinaretana ka tsy halahelo mandrakizay. Izany no lazain’ny tompo Allah ilay Tsitoha : {Ary antsoina ianareo ary hampidirina ao amin'ny Paradisa ianareo valin'izay nataonareo} [Al-A’raf: 43].