عَن ابنِ عباسٍ رضي الله عنهما أنَّ رسولَ اللهِ صلي الله عليه وسلم قال:
«لَو يُعطَى النّاسُ بدَعواهُم لادَّعَى رِجالٌ أموالَ قَومٍ ودِماءَهُم، لَكِنَّ البَيِّنَةَ على المُدَّعِى، واليَمينَ على مَن أنكَرَ».
[حسن] - [رواه البيهقي، وغيره هكذا، وبعضه في الصحيحين] - [الأربعون النووية: 33]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
" Raha omena izay lazainy avokoa ny Olona, dia hisy Olona sasany hitaky ny harena sy ny Ran'ny sasany; fa ny vesatry ny porofo kosa dia an'ny mpitory, ary ny fianianana kosa dia an'izay mandà."
[Tsara] - [رواه البيهقي وغيره هكذا وبعضه في الصحيحين] - [الأربعون النووية - 33]
Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa raha omena rariny noho ny fitakiana fotsiny ny olona, tsy misy porofo na filazana mazava tsara, dia hisy olona hitaky fananan'ny olona sy famonoana azy, tsy izany anefa, fa ny mpitory dia tsy maintsy manolotra porofo mazava momba ny zavatra takiny, raha tsy manana porofo izy, dia atolotra ny voampanga ny fitakiana, ary raha mandà izany izy dia tsy maintsy mianiana ary afaka madiodio.