عَنْ ابْنِ عَبَّاسٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا عَنْ رَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فِيمَا يَرْوِي عَنْ رَبِّهِ تَبَارَكَ وَتَعَالَى، قَالَ:
«إنَّ اللهَ كَتَبَ الحَسَنَاتِ وَالسَّيِّئَاتِ، ثُمَّ بَيَّنَ ذَلِكَ، فَمَنْ هَمَّ بِحَسَنَةٍ فَلَمْ يَعْمَلْهَا؛ كَتَبَهَا اللهُ عِنْدَهُ حَسَنَةً كَامِلَةً، وَإِنْ هَمَّ بِهَا فَعَمِلَهَا؛ كَتَبَهَا اللهُ عِنْدَهُ عَشْرَ حَسَنَاتٍ إلَى سَبْعِمِائَةِ ضِعْفٍ إلَى أَضْعَافٍ كَثِيرَةٍ، وَإِنْ هَمَّ بِسَيِّئَةٍ فَلَمْ يَعْمَلْهَا؛ كَتَبَهَا اللهُ عِنْدَهُ حَسَنَةً كَامِلَةً، وَإِنْ هَمَّ بِهَا فَعَمِلَهَا؛ كَتَبَهَا اللهُ سَيِّئَةً وَاحِدَةً».
[صحيح] - [رواه البخاري ومسلم في صحيحيهما بهذه الحروف] - [الأربعون النووية: 37]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Ibn 'Abbaas (R.A), fa nilaza ny Irakan'i Tompo Allah (SA
.W.A), mitatitra ny resaky ny Tompony -ilay Feno fahasoavana sy Avo indrindra-, ka niteny hoe :
Tena marina fa i Tompo Allah dia manoratra ireo asa tsara sy asa ratsy. Avy eo dia nohazavainy izany : izay mikasa feno ny hanao asa soa iray, nefa tsy tanterakany ny fanaovany an'izany, dia lasa soratan'i Tompo Allah ho asa soa vita ihany amin'ny endrika feno ihany izany eo Aminy; fa raha mikasa feno kosa Izy ka tanterakany ilay asa, dia soratan'i Tompo Allah any Aminy izany ho asa soa folo, hatramin'ny fitonjato heny, na mihoatra betsaka noho izany. Ary raha mikasa feno ny hanao asa ratsy iray kosa Izy, nefa tsy nataony izany asa ratsy izany, dia soratan'i Tompo Allah ho asa soa feno izany any Aminy; fa raha mikasa feno kosa Izy ary nataony izany asa ratsy izany, dia soratan'i Tompo Allah ho asa ratsy iray izany.
[Mari-pototra] - [رواه البخاري ومسلم في صحيحيهما بهذه الحروف] - [الأربعون النووية - 37]
Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa Allah dia namaritra ny hatsarana sy haratsiana avy eo nanazava tamin'ireo anjely roa ny fomba hanoratana azy ireo :
Koa izay mikasa sy manapa-kevitra ny hanao asa soa, dia hosoratana mahazo valisoa iray, na dia tsy manao izany aza izy, fa raha nanao izany dia hampitomboina folo avo heny izany, na ho fiton-jato na ho maro mihoatra izany, ary ny fitomboana dia araka ny finiavana madio ao am-po mihoatra ny tombontsoa, sy ny sisa.
Ary izay maniry sy mikasa ary manapa-kevitra ny hanao asa ratsy, avy eo mamela izany noho ny Tompo Allah, dia hosoratana asa soa iray, ary raha namela izany amin'ny tsy antony dia tsy hisy voarakitra an-tsoratra ho azy, ary raha miala amin’ny tsy fahafahany manao izany Izy, dia hosoratana araky ny fikasany, ary raha manao izany izy, dia asa ratsy iray no hosoratana ho azy.