+ -

عَنْ أَنَسٍ رضي الله عنه قَألَ:
كَانَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ إِذَا دَخَلَ الخَلاَءَ قَالَ: «اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنَ الخُبُثِ وَالخَبَائِثِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 142]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny izy :
Isaky ny miditra ao amin’ny trano fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) dia miteny hoe : “Allahomma innì ao'zho bika minal-khobthi wal-khabàiith - izay midika hoe : Allah ô, mangataka fiarovana aminao aho amin’ireo devoly lahy sy devoly vavy".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Isaky ny te-hiditra amin'ny toerana fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) na hipiy na hamoaka maloto dia mitady fiarovana amin'Allah ary mitodi-doha amin'Allah mba hiaro azy amin'ireo faharatsian'ny devoly lahy sy vavy. Ny Khobthi sy ny Khabàith koa dia nadika ho faharatsiana sy fahalotoana.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsara ny manonina ity Doan ity dia rehefa te hiditra ao amin'ny trano fidiovana.
  2. Ny zavaboary rehetra dia mila ny Tompony mba hiaro azy amin'izay zavatra manimba azy na manisy ratsy azy amin'ny toe-javatra rehetra misy azy.