عَنْ أبي سَعيدٍ الخُدريَّ رضي الله عنه قال: قال رسولُ الله صلَّى الله عليه وسلم ِ:
«إزْرَةُ المُسْلمِ إلى نصفِ السَّاق، وَلَا حَرَجَ -أو لا جُنَاحَ- فيما بينَهُ وبينَ الكعبينِ، وما كان أسفلَ منَ الكعبين فهو في النار، مَن جرَّ إزارَهُ بطرًا لم يَنْظُرِ اللهُ إليه».
[صحيح] - [رواه أبو داود وابن ماجه وأحمد] - [سنن أبي داود: 4093]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.W.A) manao hoe :
“Ny akanjon’ny mpino silamo dia mipaka hatrany amin’ny antsasaky ny tongony, ary tsy misy elanelana – na tsy maninona – eo anelanelan’izy io sy ny kitrokeliny, ary izay eo ambanin’ny kitrokely dia ao amin’ny helo, izay misintona ny akanjony ambany amin’ny tsy rariny, dia tsy ho jeren'I Allah izy.”
[Mari-pototra] - [Notantarain'I Abo Daòd, Ibn Màjah ary Ahmad] - [Sonan Abo Daòd - 4093]
Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) ny fitafian'ny lehilahy silamo, izay manarona ny tapany ambany amin'ny lehilahy, dia misy fepetra telo : Ny voalohany : Tsaratsara ny hahatratra ny antsasaky ny tongotra. Ny faharoa : azo atao tsy misy fanoherana, dia izay eo ambaniny ka hatreo amin'ny kitrokely; Izy ireo dia taolana roa misongadina eo amin'ny fikambanan'ny ranjo sy ny tongotra ambany. Ny fahatelo : Ny voarara dia ny ambanin'ny kitrokely, ary atahorana ho tratran’ny afobe izy, ary raha fieboeboana sy hafaliana ary fanamparam-pahefana aza dia tsy hijery izany Allah.