عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ يَوْمَ خَيْبَرَ:
«لَأُعْطِيَنَّ هَذِهِ الرَّايَةَ رَجُلًا يُحِبُّ اللهَ وَرَسُولَهُ، يَفْتَحُ اللهُ عَلَى يَدَيْهِ» قَالَ عُمَرُ بْنُ الْخَطَّابِ: مَا أَحْبَبْتُ الْإِمَارَةَ إِلَّا يَوْمَئِذٍ، قَالَ فَتَسَاوَرْتُ لَهَا رَجَاءَ أَنْ أُدْعَى لَهَا، قَالَ فَدَعَا رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَلِيَّ بْنَ أَبِي طَالِبٍ، فَأَعْطَاهُ إِيَّاهَا، وَقَالَ: «امْشِ، وَلَا تَلْتَفِتْ، حَتَّى يَفْتَحَ اللهُ عَلَيْكَ» قَالَ فَسَارَ عَلِيٌّ شَيْئًا ثُمَّ وَقَفَ وَلَمْ يَلْتَفِتْ، فَصَرَخَ: يَا رَسُولَ اللهِ، عَلَى مَاذَا أُقَاتِلُ النَّاسَ؟ قَالَ: «قَاتِلْهُمْ حَتَّى يَشْهَدُوا أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَأَنَّ مُحَمَّدًا رَسُولُ اللهِ، فَإِذَا فَعَلُوا ذَلِكَ فَقَدْ مَنَعُوا مِنْكَ دِمَاءَهُمْ وَأَمْوَالَهُمْ، إِلَّا بِحَقِّهَا وَحِسَابُهُمْ عَلَى اللهِ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2405]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) tamin'ny ady masina Khaibar manao hoe :
“Homeko ity faneva ity lehilahy iray mitia an’I Allah sy ny irany, ary Allah dia hanome fandresena eo am-pelatànany.” Hoy i Omar bin Al-Khattab : “Tsy naniry fitondrana aho afa-tsy tamin’io andro io, hoy izy : Nanantena aho ho voaantso. Niantso an’i Ali bin Abi Talib ny irak’Allah, ary nomeny azy izany dia hoy izy : “Mandehana, ary aza miverina, mandra-panomezan’I Allah fandresena anao". Hoy izy : “Nandeha kely i Ali, dia nijanona ary tsy nihodina, ka niantsoantso hoe : Ry irak’Allah ô, inona no iadianay amin’ny olona? Hoy i Mpaminany (S.A.W) namaly azy : “Miadia ianareo amin’izy ireo mandra-pijoroan’izy ireo vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mohammad no irak’Allah, raha manao izany izy ireo, dia fady aminao ny mandatsa-dràny sy ny fananany ary ny fitsarana azy ireo dia any amin’I Allah.
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2405]
Nampahafantatra ny mpanaradia ny fandresen'ny mpino silamo nanomboka ny ampitson'iny andro iny amin'ireo jiosy tao Khaybar, tanàna akaikin'i Madina i Mpaminany (S.A.W), ary izany dia tarihin'ny lehilahy iray homeny ny faneva, dia ny saina ampiasain’ny tafika ho marika. Ary ny mampiavaka ity lehilahy ity dia ny fitiavany an’I Allah sy ny Irany ary mitia azy koa Allah sy ny Irany.
Nolazain'i Omar bin Al-Khattab (R.A) fa tsy tia ny fitondrana izy raha tsy tamin'io andro io, ho fanantenana fa izy no nolazain'ny Mpaminany momba ny fitiavan'I Allah sy ny irak'Allah, dia natrakan'i Omar (R.A) ny vatany ho hitan'ny Mpaminany (S.A.W) ary mba hiantsoana azy, ary noho ny fahadodonana sy ny fanantenana handray izany faneva izany.
Niantso an'i Ali bin Abi Talib (R.A) i Mpaminany (S.A.W) ary nomeny azy ny faneva, ary nandidy azy i Mpaminany (S.A.W) hihetsika miaraka amin'ireo tafika ary tsy hiala amin'ny ady rehefa avy nihaona tamin’ny fahavalony tamin’ny fitsaharana mandra-panokafan’I Allah ireo fiarovana ireo ho azy amin’ny fandresena sy ny fahombiazana.
Dia nandeha i Ali (R.A) avy eo dia nijanona, fa tsy niherika mba tsy handikana ny baikon'ny Mpaminany (S.A.W), ka nanandratra ny feony ary niteny hoe : Ry irak'Allah ô, inona no tokony hiadiako amin'ny olona?
Hoy i Mpaminany (S.A.W) : Miadiva amin’izy ireo mandra-pijoroany ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mohammad no irak’Allah, raha mamaly sy miditra amin’ny finoana silamo izy ireo; dia voarara ny fandatsahanao ny ràn'izy ireo sy ny fanànan'izy ireo afa-tsy amin’ny alàlan’ny zo, izany hoe, raha tsy nanao heloka bevava na heloka izay mendrika ny hamonoana azy araka ny lalànan’ny finoana silamo , ary ny fitsarana azy ireo dia eo amin’I Allah.