+ -

عَنْ أَبِي بَرْزَةَ الأَسْلَمِيِّ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«لَا تَزُولُ قَدَمَا عَبْدٍ يَوْمَ القِيَامَةِ حَتَّى يُسْأَلَ عَنْ عُمُرِهِ فِيمَا أَفْنَاهُ، وَعَنْ عِلْمِهِ فِيمَ فَعَلَ، وَعَنْ مَالِهِ مِنْ أَيْنَ اكْتَسَبَهُ وَفِيمَ أَنْفَقَهُ، وَعَنْ جِسْمِهِ فِيمَ أَبْلَاهُ».

[صحيح] - [رواه الترمذي] - [سنن الترمذي: 2417]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Bazrat Al-Aslami (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy hihetsika ny tongotry ny mpanompo iray amin’ny andro farany raha tsy efa anontaniana ny amin’ny nandaniany ny fiainany, ny fahalalany tamin’ny nampiasany azy, ary ny hareny tamin’izay nahazoany sy ny nandaniany azy, ary ny vatany tamin'ny nanapotehany azy".

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Al-Tirmizì]

Ny fanazavana

Manambara ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy olona handingana ny toeram-pitsarana ho any amin'ny Paradisa na ny Afobe mandra-panontaniana azy momba ny zavatra maro :
Ny voalohany : Ahoana no nandaniany ny fiainany?
Ny faharoa : Ny fahalalany, moave notadiaviny noho ny Allah? Niasa tamin’izany ve izy? Nampita izany tamin’ny olona mendrika azy ve izy?
Ny fahatelo : Taiza no nahazoany ny volany, halal sa haram? Ary inona no nandaniany an’izany, tamin’ny zavatra ankasitrahan’I Allah sa amin’ny zavatra mahatezitra Azy?
Ny fahefatra : Ny vatany, ny heriny, ny fahasalamana ary ny fahatanorany, Ahoana no nanapotehany sy nampiasainy izany?

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisiha ny amin'ny fanararaotana eo amin'ny fiainana amin’ny zavatra ankasitrahan’I Allah Ilay Tsitoha.
  2. Betsaka ny fahasoavan’I Allah eo amin’ny mpanompony, ary hanontany Azy Allah ny amin’ireo fahasoavana nisy taminy, ka aoka izy hametraka ireo fahasoavana nomen'I Allah azy ho amin'ny ankasitrahany.