+ -

عن ابن عمر رضي الله عنهما قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«مَا زَالَ يُوصِينِي جِبْرِيلُ بِالْجَارِ، حَتَّى ظَنَنْتُ أَنَّهُ سَيُوَرِّثُهُ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 6014]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Oumar (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tsy mitsahatra mananatra ahy i Jibril (A.S) amin'ny mpiray vody rindrina amiko, ka nihevitra aho fa handova ahy izy".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Milaza amintsika i Mpaminany (S.W.A), fa i Jibril dia namerimberina taminy sy nandidy azy mba hikarakara ny mpiara-monina aminy, izay akaiky ny tranony, na silamo na tsy mpino, havana na tsia, miaro ny zony ary tsy manisy ratsy azy, manao soa azy ary miharitra amin'izay ratsy ataony, ka nihevitra i Mpaminany (S.A.W) noho ny halebeazan'ny zon'ny mpifenolobodirindrina sy ny famerimberenana azy fa hidina aminy fanambarana amin'ny fanomezana harenany ho lovainy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny halehiben'ny zon'ny mpifanolo-bodirindrina sy ny fikarakarana azy.
  2. Fanamafisana ny zon’ny mpifanolo-bodirindrina amin’ny alàlan’ny hafatra mirakitra ny hanomezam-boninahitra azy, ho sariaka sy ho tsara fanahy aminy, ary hanosika ny loza mety hanjo azy, hitsidika azy rehefa marary, hiarahaba azy rehefa misy mahafaly azy, ary hampionona azy rehefa tra-pahoriana.
  3. Isaky ny varavaran'ny mpifanolobodirindrina akaiky anao dia voamarina sy lehibe ny zony.
  4. Ny fahafenoan'ny lalàna Islamika amin'ny zavatra nentiny, izay mahasoa ny fiaraha-monina, toy ny hatsaram-panahy amin'ny mpiray monina sy ny fisorohana ny loza avy amin'izy ireo.
Fanampiny