عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه أَنَّهُ سَمِعَ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«أَرَأَيْتُمْ لَوْ أَنَّ نَهَرًا بِبَابِ أَحَدِكُمْ يَغْتَسِلُ فِيهِ كُلَّ يَوْمٍ خَمْسًا، مَا تَقُولُ ذَلِكَ يُبْقِي مِنْ دَرَنِهِ؟» قَالُوا: لَا يُبْقِي مِنْ دَرَنِهِ شَيْئًا، قَالَ: «فَذَلِكَ مِثْلُ الصَّلَوَاتِ الخَمْسِ، يَمْحُو اللَّهُ بِهِ الخَطَايَا».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 528]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny : Izaho dia nahare an'ilay Irak'allah (S.A.W) niteny manao hoe :
“Hitanareo ve fa raha nisy renirano teo am-baravaran’ny anankiray aminareo izay nandroany in-dimy isan’andro, moa ve sahy hilaza ianareo fa mbola tavela loto eo aminy? Hoy izy : Tsy hisy loto tavela intsony eo aminy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W): “Toy izany ny vavaka dimy isan’andro, izay hamafan’I Allah ny ota.”
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 528]
Nampitovin'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny renirano iray teo am-baravaran'ny olona iray ny vavaka dimy isan'andro sy ny alina amin'ny fanesorana sy fanafoanana ny ota madinika, ka tsy misy na inona na inona intsony mbola mitoetra aminy, na ny fahalotoany.