+ -

عَنِ النُّعْمَانِ بْنِ بَشِيرٍ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«مَثَلُ الْمُؤْمِنِينَ فِي تَوَادِّهِمْ وَتَرَاحُمِهِمْ وَتَعَاطُفِهِمْ مَثَلُ الْجَسَدِ، إِذَا اشْتَكَى مِنْهُ عُضْوٌ تَدَاعَى لَهُ سَائِرُ الْجَسَدِ بِالسَّهَرِ وَالْحُمَّى».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 2586]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Nomani Ibn Bashir (R.A) : Niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe :
"Ny ohatra eo amin'ny mpino amin'ny fifankatiavan'izy ireo sy ny fifamindram-pony ary ny fifangorahany dia toy ny vatana iray, raha mitaraina ny singany amin'izany dia ny vatana iray manontolo no mifampiantso tsy hatory sy amin'ny tazo".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Nasehon'ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa ny toe-piainan'ny mpino silamo amin'ny samy izy ireo dia ny fanirian-tsara, ny famindram-po, ny fanampiana ary ny fanohanana, ary ny fahatsapana hotsika amin'ny loza manjo azy ireo, dia toy ny vatana tokana, raha marary ny ampahany iray dia ny vatana manontolo no mamaly azy amin'ny tsy fahampian-torimaso sy ny tazo.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tokony hamafisina ny zon'ny silamo ary hamporisihana ny fiaraha-miasa sy ny hatsaram-panahy eo aminn'ny samy izy.
  2. Tokony hisy fitiavana sy fanohanana eo amin’ny olona manam-pinoana.