عَنْ مَعْقِلِ بْنِ يَسَارٍ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«الْعِبَادَةُ فِي الْهَرْجِ كَهِجْرَةٍ إِلَيَّ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2948]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Maaqil Ibn Yasar (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny fanompoana ao anatin'ny vanom-potoan'ny korontana dia toy ny fifindra-monina mankaty amiko."

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2948]

Ny fanazavana

Nanoro làlana i Mpaminany (S.A.W) fa ao anatin'ny fotoan'ny korontana, ny fifandirana, ny famonoana ary ny fifangaroan'ny raharahan'ny olona, ​​dia nanome toromarika ny olona hivavaka sy hifikitra amin'izany, ary ny valisoany dia toy ny fifindra-monina mankany amin'ny Mpaminany (S.A.W), fa ny olona tsy miraharaha ka variana amin'izany, ary ny tsirairay ihany no manokan-tena ho amin'izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Mamporisika ny fanompoana sy ny fitodihana amin’I Allah Tsitoha amin’ny andron’ny fakam-panahy; ho fiarovana amin’ny fakam-panahy sy fiarovana amin’ny fanimbana.
  2. Fanazava ny hatsaran'ny fanompoam-pivavahana amin'ny fotoan'ny fakam-panahy sy ny fotoan'ny tsy fitandremana.
  3. Ny mpino silamo dia tokony hiala amin'ny toerana misy fakam-panahy sy tsy fitandremana.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (43)