عَنْ وَائِلٍ الْحَضْرَمِيِّ قَالَ: سَأَلَ سَلَمَةُ بْنُ يَزِيدَ الْجُعْفِيُّ رضي الله عنه رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ:
يَا نَبِيَّ اللهِ، أَرَأَيْتَ إِنْ قَامَتْ عَلَيْنَا أُمَرَاءُ يَسْأَلُونَا حَقَّهُمْ وَيَمْنَعُونَا حَقَّنَا، فَمَا تَأْمُرُنَا؟ فَأَعْرَضَ عَنْهُ، ثُمَّ سَأَلَهُ، فَأَعْرَضَ عَنْهُ، ثُمَّ سَأَلَهُ فِي الثَّانِيَةِ أَوْ فِي الثَّالِثَةِ، فَجَذَبَهُ الْأَشْعَثُ بْنُ قَيْسٍ، وَقَالَ: «اسْمَعُوا وَأَطِيعُوا، فَإِنَّمَا عَلَيْهِمْ مَا حُمِّلُوا، وَعَلَيْكُمْ مَا حُمِّلْتُمْ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 1846]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Wael Al-Hadrami, niteny hoe : Nanontany an'ny Mpaminany - (S.A.W) i Salama bin Yazid Al-Ja'fi (R.A) manao :
Ry mpaminanin’I Allah ô, raha misy mpitondra eo aminay, maka aminay ny amin’ny zony ary mandà tsy manome anay ny zonay, inona no handidianao anay? Dia niamboho izy, avy eo nanontany azy ihany, fa mbola niamboho izy, dia nanontany azy fanindroany na fanintelony. Teo dia nisintona azy i Al-Ash'ath ibn Qays ary niteny hoe : “Mihainoa ary mankatoava, Eny tokoa, fa izy ireny no hanontaniana amin'izay nataony ary anareo hanontaniana amin'izay noentinareo".
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 1846]
Nanontaniana i Mpaminany (S.A.W) momba ireo mpitondra mitaky ny zony amin’ny vahoaka, toy ny fihainoana sy fankatoavana ary mandà ny zo tokony ho azy ireo,ohatra amin'ny fampiharana ny rariny, ny fizarana ny harena babo, ny famerenana zon'ny hafa sy ny fampitovina, ka inona no andidianao anay amin'izy ireo?
Koa niamboho i Mpaminany (S.A.W); toy ny hoe mankahala ireo olana ireo izy, saingy niverina tany aminy fanindroany sy fanintelony ilay nanontany azy, ka i Al-Ash’ath ibn Qays (R.A) no nandresy lahatra ilay nanontany azy mba hangina.
Namaly i Mpaminany manao hoe : Henoy izay lazainy ary ankatoavy ny didiny. Fa izy ireo no tompon'andraikitra amin'izay iampangana azy sy izay nanendrena azy, ny rariny sy ny fanomezana ny zo ho an'ny olom-peheziny, ary eo aminareo no iampangana anareo amin'ny fankatoavana, ny fanatanterahana ny zo ary ny faharetana manoloana ny olana sy ny fitsapana.