+ -

عن مَعقِلِ بن يَسار المُزَنِيّ رضي الله عنه قال: إني سمعت رسول الله صلى الله عليه وسلم يقول:
«مَا مِنْ عَبْدٍ يَسْتَرْعِيهِ اللهُ رَعِيَّةً، يَمُوتُ يَوْمَ يَمُوتُ وَهُوَ غَاشٌّ لِرَعِيَّتِهِ، إِلَّا حَرَّمَ اللهُ عَلَيْهِ الْجَنَّةَ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 142]
المزيــد ...

Tatitra avy tamin'i Màqil bin Yasàr Al-Mozani (R.A) niteny hoe : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
" Tsy misy mpanompo nomen’i Allah fitantanana ny olony, ka maty nefa namitaka ny olom-peheziny, afa-tsy hoe noraran'i Allah aminy ny Paradisa".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Milaza amintsika i Mpaminany (S.W.A) fa ny olona rehetra izay notendren'i Allah mpitantana sy tompon'andraikitra eo amin'ny vahoaka, tafiditra ao avokoa na mpitantana amin'ny ankapobe toy ny andriana, na mpiambina manokana toy ny lehilahy sy ny vehivavy ao an-tranony, nefa manao an-tsirambina ny zon’ireo Olom-peheziny, namitaka azy ireo, tsy manoro hevitra azy ireo, ka nanary ny zo ara-pivavahana sy ara-piainana eto antany, dia mendrika azy ny sazy ity mahery vaika.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina Okranianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ity fandrahonana ity dia tsy natao manokana ho an'ny mpitantana lehibe sy ny lefiny, fa miantefa amin'ny rehetra izay nomen’i Allah fahefana.
  2. Adidy ho an’izay rehetra voatendry hanao zavatra eo amin’ny raharahan’ny silamo ny manoro hevitra azy ireo, ary miezaka manatanteraka ny andraikitra, ary mitandrina mafy amin’ny famadihana.
  3. Halebeazan’ny andraikin’izay nomena andraikitra na ho amin'ny ankapobeny izany na koa manokana, lehibe na kely.