+ -

عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بنِ مَسْعُودٍ رضي الله عنه أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«سِبَابُ المُسْلِمِ فُسُوقٌ، وَقِتَالُهُ كُفْرٌ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 48]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Masondi (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny fanompana ny mpino silamo dia fahalotoam-pitondran_tena, ary ny ady aminy dia fikomina."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 48]

Ny fanazavana

Nandrara ny silamo tsy hanevateva sy hanozona ny rahalahiny silamo i Mpaminany (S.A.W), ary izany dia endriky ny fahalotoam-pitondran_tena, izay fialana amin'ny fankatoavana an'I Allah sy ny Irany, ary ny fiadivan'ny silamo amin'ny mpino silamo rahalahiny dia midika fikomiana kely izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Voadidy ny hanaja voninahitra sy ny ràn'ny mpino silamo.
  2. Lehibe ny hiafaran'izay manompa silamo tsy ara-drariny, ary izay manozona tsy am-pahamarinana dia mpanota.
  3. Ny fanozonana sy ny ady amin'ny silamo dia mampihena sy manala ny finoana.
  4. Ny asa sasany dia antsoina hoe fikomiana; na dia tsy mahatratra ny tsy finoana lehibe izay manala anao amin'ny finoana silamo izany.
  5. Ny atao hoe tsy finoana dia ireo madinidinika izay tsy manala ny olona amin'ny finoana, araka ny fifanarahan'ireo manam_pahaizana Sonnite. Satria Allah dia nanamafy ny firahalahian’ny finoana ho an’ny mpino raha misy ny ady sy ny fifandirana, ka hoy Allah ilay Tsitoha manao hoe : (Ary raha misy andian'ny mpino roa no miady, dia ampihavano izy roa) mandra-pilazany hoe : (Ny mpino dia mpirahalahy ihany).
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Alimanina Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Aldoria serbianina Keniaroandia Romaniana Hongariana الموري Oromianina Kanadianina الولوف Okranianina الجورجية المقدونية الماراثية
Fanehona ny dikanteny