+ -

عَنْ أَبِي سَعِيدٍ رضي الله عنه أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«مَا مِنْ مُسْلِمٍ يَدْعُو بِدَعْوَةٍ لَيْسَ فِيهَا إِثْمٌ، وَلَا قَطِيعَةُ رَحِمٍ، إِلَّا أَعْطَاهُ اللهُ بِهَا إِحْدَى ثَلَاثٍ: إِمَّا أَنْ تُعَجَّلَ لَهُ دَعْوَتُهُ، وَإِمَّا أَنْ يَدَّخِرَهَا لَهُ فِي الْآخِرَةِ، وَإِمَّا أَنْ يَصْرِفَ عَنْهُ مِنَ السُّوءِ مِثْلَهَا» قَالُوا: إِذنْ نُكْثِرُ، قَالَ: «اللهُ أَكْثَرُ».

[صحيح] - [رواه أحمد] - [مسند أحمد: 11133]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Said (RA), niteny i Mpaminany (SAW) manao hoe :
"Na iza na iza mpino silamo mangataka zavatra ka tsy nisy fahotana na fanapahana rohim-pihavanana ny fangatahany, afa-tsy hoe omen'I Allah azy ny iray amin'ireto zavatra telo ireto : Na ho valiany avy hatrany ilay hataka izany, na ho tehiriziny ho azy any ankoatra, na foanana amin'ny alàlan'izany ny ratsy saika hahazo azy mitovy ny halehibiazan'ny hataka nataony", hoy izy ireo : Raha izany dia ho ataonay betsaka ny hatakay? Dia namaly Izy hoe : "Allah no manana betsaka indrindra".

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Ahmad] - [Mosnad Ahmad - 11133]

Ny fanazavana

Nanambara ny Mpaminany (S.A.W) manao : Raha misy mpino silamo miantso an'I Allah ka mangataka Aminy amin'ny raharaha tsy misy fahotana, toy ny fiantsoana azy hanamora ny tsy fankatoavana sy ny tsy rariny, na tsy fiantsoana ny fanapahana ny fihavanana; toy ny nivavaka ho an’ny zanany sy ny havany, afa-tsy hoe nanomezan’I Allah azy ny iray amin’ireo zavatra telo tamin’ny fitalahoany : Na hanafainganiny ny valin'ny antsony dia omeny izay nangatahiny. Na hahemotr'I Allah izany ho valisoa azony amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty amin’ny alàlan'ny fisondrotan’ny voninahiny, na famindram-po sy famelan-keloka. Na hanalavitra azy ny faharatsiana betsaka eo amin’ny tontolo misy azy toy ny habetsahan’ny fitalahoana. Hoy ny mpanaradia tamin'ny Mpaminany hoe : Raha izany dia tokony hivavaka betsaka izahay mba hahazoana ny iray amin'ireo hasoavana ireo? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : Izay ananan’I Allah dia mihoatra lavitra noho izay angatahinareo, satria ny fanomezany dia tsy mety ritra ary tsy misy farany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fitalahoan'ny mpino silamo dia voavaly ary tsy azo lavina, fa ao anatin'ny fepetra sy ny etika. Noho izany, ny mpanompo dia tokony hivavaka matetika ary tsy ho maika amin'ny fahazoana ny valiny.
  2. Ny famaliana ny fitalahoana dia tsy voafetra amin'ny fanatanterahana izay irina; Mety ho avotra amin’ny fitalahoany izany, na hahavoavonjy ho azy any ankoatra.
  3. Ibn Baz dia nilaza hoe : Ny fikirizana, ny finoana tsara an'I Allah ary ny tsy fahakivina dia anisan'ny antony lehibe indrindra amin'ny famaliana ny olona iray, ka tsy maintsy maharitra amin'ny fitalahoana, manana fiheverana tsara an'I Allah Tsitoha, ary mahafantatra fa Izy dia Hendry sy Mahalala ny zava-drehetra. Mety hanafaingana ny valiny noho ny fahendrena izy, na hanemotra izany noho ny fahendrena, ary mety hanome zavatra tsara kokoa noho izay nangatahany ilay nangataka.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الموري Kanadianina Okranianina الجورجية المقدونية الماراثية
Fanehona ny dikanteny