+ -

عن تميم الداري رضي الله عنه أن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«الدِّينُ النَّصِيحَةُ» قُلْنَا: لِمَنْ؟ قَالَ: «لِلهِ وَلِكِتَابِهِ وَلِرَسُولِهِ وَلِأَئِمَّةِ الْمُسْلِمِينَ وَعَامَّتِهِمْ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 55]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Tamiim Ad-dàri (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) dia manao hoe :
"Ny finoana dia fananarana". Dia nanontany izahay hoe : Ho an'iza? Namaly izy hoe : Ho an'i Allah sy ny bokiny, ny Irany, ireo mpitarika ary ho an'ny vahoaka silamo tsy ankanavaka".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny finoana dia mifototra amin'ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana, mba hanatanterahana izany araka ny nandidian'i Allah azy, tsy misy tsirambina na hosoka.
Nisy nanontany an'ny Mpaminany (S.W.A) manao hoe : Iza no tokony homena torohevitra? namaly Izy hoe :
Voalohany : Torohevitra sy fananarana dia ho an’i Allah ilay Avo Tsitoha : amin’ny alàlan’ny asa amim-pahadiovam-po ho Azy, ary tsy manakambana Azy amin'ny zavatra hafa, mino ny maha-Tompo Azy, ny maha-Andriamanitra Azy, Ary mino ny anarany sy ny lazany, manome voninahitra ny didiny, ary miantso ny olona hino azy.
Faharoa : Torohevitra ho an'ny Bokiny, dia ny Koroany mendri-kaja : mino isika fa io no Teniny, farany amin'ny Bokiny, ary manafoana ny lalàna rehetra teo alohany, ary manaja Azy sy mamaky Azy araka izay tokony hamakina izany, ary miasa arak'izay manapa-keviny, ary hanaiky izay mitovitovy Aminy, ary mandà ny hevitry ny mpamitaka amin'ny fandikana Azy, ary mandinika ny Toriteny, ary mampiely ny fahalalany, ary miantso amin'ny làlana mankany Aminy.
Fahatelo : Torohevitra ho an'ny irany Mouhammadi (S.A.W) : Mba hinoatsika fa Izy no Farany amin'ireo Iraka maro izay nifandimby, hinoatsika ny zavatra Nentiny, hankato ny Didiny ary hiala amin'ny Fandrarany Isika, ary tsy hanompo isika afa-tsy mifanaraka amin'izay nentiny, manaja ny zony isika, ary manaja azy, hanaparitahana ny fiantsoana nataony, hanaparitahana ny Lalàny, ary Handà ny fiampangana Azy.
Fahaefatra : Torohevitra ho an'ireo mpitariky ny mpino silamo : Amin'ny fanampiana azy ireo amin'ny fahamarinana, tsy miady hevitra amin'izy ireo momba ny raharaha ara-pinoana, ary mihaino sy mankatò azy ireo ao amin'ny fankatoavana manokana an'i Allah.
Fahadimy : Torohevitra ho an’ny mpino silamo : Hanao tsara amin’izy ireo, hiantso izy ireo amin'ny làlana mahitsy, hanatsahatra ny fanaratsiana azy ireo, hankatia ny soa ho azy ireo, ary miara-miasa aminy amin’ny fahamarinana sy ny fatahorana an'Allah.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana amin'ny fananarana ny rehetra.
  2. Lehibe ny toerana misy ny fananarana eo amin'ny finoana.
  3. Ny fahafenoan'ny finoana amin'ny lafiny ara-pinoana sy ny teny ary ny asa.
  4. Tafiditra ao anatin’ny torohevitra ny fanadiovana ny tena amin’ny fitaka ho an’izay torina hevitra sy ny faniriana ny tsara ho azy.
  5. Ny fampianarana tsara azo avy tamin'ilay Irakan'Allah (S.W.A) dia ny fanononana ny zavatra iray amin'ny ankapobeny avy eo dia manazava izany amin'ny antsipiriany.
  6. Natomboka tamin’ny zava-dehibe indrindra ary avy eo ny Lehibe, Satria ny Mpaminany (S.W.A) , dia nanomboka tamin’ny torohevitra ho an’i Allah, avy eo amin’ny Bokiny, avy eo amin’ny Irany (S.A.W), ary ho an'ny mpitariky ny mpino silamo ary ho an'ny daholobe.