+ -

عَنْ أَبِي شُرَيْحٍ رضي الله عنه أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«وَاللَّهِ لاَ يُؤْمِنُ، وَاللَّهِ لاَ يُؤْمِنُ، وَاللَّهِ لاَ يُؤْمِنُ»، قِيلَ: وَمَنْ يَا رَسُولَ اللَّهِ؟ قَالَ: «الَّذِي لاَ يَأْمَنُ جَارُهُ بَوَايِقَهُ».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 6016]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Choraih (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Mianiana amin'I Allah aho fa tsy mpino izy, Mianiana amin'I Allah aho fa tsy mpino izy, Mianiana amin'I Allah aho fa tsy mpino izy." Nisy niteny hoe : Iza izany irak'I Allah? Dia namaly izy hoe : “Izay tsy namela hilamina tsara ny mpiray vodirindrina aminy”.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 6016]

Ny fanazavana

Nianiana sy nanamafy ny fianianana intelo ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : Mianiana amin'IvAllah aho fa tsy mpino izy, Mianiana amin'I Allah aho fa tsy mpino izy, Mianiana amin'I Allah aho fa tsy mpino izy, ka nanontany azy ireo mpanaradiany : Iza no tsy ho mpino ry irak'Allah? Dia namaly izy hoe : Izay tsy mampitony ny mpiray vodirindrina aminy amin'ny fanaovany fitaka sy ny tsy rariny ary ny faharatsiana.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanesorana ny finoana eo amin’ny olona iray izay tsy niaro amin’ny tsy rariny sy ny faharatsiana ny namany mpiray vodirindrina aminy dia midika fa fahotana lehibe izany, ary izay manao izany dia tsy ampy finoana.
  2. Famporisihana mafy mba hanao soa amin’ny mpiara-belona ary tsy hanisy ratsy azy amin’ny teny na amin’ny asa.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Indoneziana Bengaly Torkia Rosiana Sinhala Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Teljo saohilia Tailandia Asamia Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الجورجية الماراثية
Fanehona ny dikanteny