+ -

عَنْ عَبْدِ اللهِ بْنِ مَسْعُودٍ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«لَيْسَ الْمُؤْمِنُ بِالطَّعَّانِ وَلاَ اللَّعَّانِ وَلاَ الفَاحِشِ وَلاَ البَذِيءِ».

[صحيح] - [رواه الترمذي] - [سنن الترمذي: 1977]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Massod (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny mpino silamo dia tsy mpanindrona be, mpanozona be, mpanao vetaveta be, na mpiteny ratsy."

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Al-Tirmizì] - [Sonan At-Tirmizì - 1977]

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy fanaon'ny mpino be finoana ny manala baraka ny olona amin'ny firazanany, na ny manompa sy manozona matetika, na ny manao vetaveta amin'ny fihetsika na fiteny, tsy misy henatra akory.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Bosnia Sinhala Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Romaniana
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny manala ny finoana eo amin'ny lahatsoratry ny lalàna silamika dia tsy inona afa-tsy noho ny fanaovana zava-boarara na tsy firaharahana adidy.
  2. Famporisihana hitandro ny rantsambatana sy hiaro azy amin’ny ratsy, indrindra ny lela.
  3. Nilaza i Sindi : Ny filazana hoe ( mpanindrona be sy mpanozona be) porofo milaza fa tsy midika ho tsy mpino ny olona tafanompa mahalana ireo olona mendrika hahazo izany.