عَنْ عُمَرَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«مَنْ لَبِسَ الحَرِيرَ فِي الدُّنْيَا لَمْ يَلْبَسْهُ فِي الآخِرَةِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 5834]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Omar (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay mitafy lamba landy eto an-tany dia tsy hitafy izany any ankoatra."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 5834]

Ny fanazavana

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay manao lamba landy eto an-tany amin'ireo lehilahy dia tsy hitafy izany any ankoatra raha tsy nibebaka mba ho fanasazina azy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny tia ho lazaina amin'ny lamba landy etoana dia landy voajanahary madio tsy mifangaro, fa ny landy artifisialy kosa dia tsy tafiditra amin'ilay lazain'ny Hadith.
  2. Voarara amin'ny lehilahy ny manao lamba landy.
  3. Ny fandrarana ny fanaovana lamba landy dia mihatra amin'ny mitafy sy ny famelarana azy.
  4. Azon'ny lehilahy atao ny mitafy lamba misy ampahany amin'ny lamba landy izay tsy mihoatra ny rantsan-tanana roa ka hatramin'ny efatra ny sakany eny ambonin'ny akanjo na amin'ny sisiny.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (51)