+ -

عن عُمر بن أبي سلمة رضي الله عنه قال:
كُنْتُ غُلَامًا فِي حَجْرِ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، وَكَانَتْ يَدِي تَطِيشُ فِي الصَّحْفَةِ، فَقَالَ لِي رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «يَا غُلَامُ، سَمِّ اللهَ، وَكُلْ بِيَمِينِكَ، وَكُلْ مِمَّا يَلِيكَ» فَمَا زَالَتْ تِلْكَ طِعْمَتِي بَعْدُ.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 5376]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Omar bin Abi Salama (R.A), niteny izy manao hoe :
Zazalahy taizan'Irak'I Allah aho, ary nitsabatsabaka teo amin'ny vilia ny tànako, dia hoy ny irak'I Allah tamiko hoe : “Ry zazalahy, manonona ny anaran'I Allah, avy eo mihinana amin’ny tananao ankavanana, sy izay manoloana anao. Ary tahaka izany hatrany ny fihinanako taorian'izany.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Mitantara i Omar bin Abi Salamah (R.A) zanaky ny vadin'ny Mpaminany (S.A.W) Om Salamah (R.A) - izay teo ambany fitaizana sy fanarahamasony- fa teo am-pisakafoana izy, dia nanetsika ny tànany teo amin’ny sisin’ny vilia izy mba haka ny sakafo, ka nampianatra azy ireo fitsipika telo momba ny fihinanana ny Mpaminany (S.A.W) :
Ny voalohany amin'izany dia ny : fitenenana : “Bismillahi" -amin’anaran’Allah- eo am-piandohan’ny sakafo.
Ny faharoa : mihinana amin’ny tànana havanana.
Ny fahatelo : Mihinana eo amin'ny faritra akaiky amin'ilay sakafo.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Anisan’ny fomba fanao amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ny fanononana ny anaran'Allah eo am-piandohana.
  2. Fampianarana ireo fomba amam-panao ny ankizy, indrindra fa ny ankizy izay eo ambany fiahian'ilay olona.
  3. Ny fahatsoran'ny Mpaminany (S.A.W) sy fivelaran'ny fony amin'ny fampianarana ireo ankizy sy fanabeazana azy ireo mba hahalala fomba.
  4. Anisan'ny fomba fanao amin'ny fihinanana ny mihinana amin'izay eo anoloany ny olona iray, afa-tsy hoe karazany maro samihafa ilay ilay sakafo, ka amin'izay dia azony atao ny maka amin'izany.
  5. Ny mpanaradia (Sahaba) dia nifikitra tamin'ny fahalalam-pomba nampianarin'ny Mpaminany (S.A.W), azy ireo, ary izany dia azo tsoahina avy amin'ny tenin'i Omar manao hoe : Dia tahaka izany foana ny fomba fihinanako taorian'izany.