عَنْ مُعَاوِيَةَ الْقُشَيْرِيِّ رضي الله عنه قَالَ:
قُلْتُ: يَا رَسُولَ اللَّهِ، مَا حَقُّ زَوْجَةِ أَحَدِنَا عَلَيْهِ؟، قَالَ: «أَنْ تُطْعِمَهَا إِذَا طَعِمْتَ، وَتَكْسُوَهَا إِذَا اكْتَسَيْتَ، أَوِ اكْتَسَبْتَ، وَلَا تَضْرِبِ الْوَجْهَ، وَلَا تُقَبِّحْ، وَلَا تَهْجُرْ إِلَّا فِي الْبَيْتِ»
[حسن] - [رواه أبو داود وابن ماجه وأحمد] - [سنن أبي داود: 2142]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tmin'i Moawiyah Al-Qoshayri (R.A) niteny :
Hoy aho : Ry irak’Allah ô, inona no zo ananan’ny vadin’iray aminay dia aminy, hoy izy : “Omenao sakafo izy rehefa misakafo ianao, ary ampitafianao rehefa mitafy ianao na hoe rehefa mahazo vola ianao? Aza mikapoka ny tarehy, aza manozona, ary aza ilaozana raha tsy ao an-trano”.
[Tsara] - [Notantarain'I Abo Daòd, Ibn Màjah ary Ahmad] - [Sonan Abo Daòd - 2142]
Nanontaniana ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Inona no zon'ny vehivavy amin'ny vadiny? Dia nitanisa i Mpaminany (S.A.W) ka anisan'izany ny hoe :
Voalohany : Aza manokana ny tenanao amin'ny sakafo tsy misy azy; Omeo sakafo kosa izy isaky ny mihinana ianao.
Faharoa : Aza manokana ny tenanao amin’ny fitafiana sy ny lamba, fa ampitafio kosa izy raha toa ka mitafy ianao, ary raha mahazo vola ianao ka afaka manao izany.
Fahatelo : Tsy tokony ho kapohina izy afa-tsy noho ny antony sy ny filana, raha ilaina ny kapoka noho ny fanitsiana na noho ny tsy firaharahiana ny adidy sasany, dia ho kapoka tsy mampaninona izy, fa tsy kapohina amin'ny tarehy; Satria ny tarehy no ampahany lehibe indrindra sy hita maso ary misy faritra mendri-kaja sy malefaka.
Fahefatra : Aza manozona na miteny hoe : Hataon’I Allah ratsy tarehy anie ny tavanao. Aza milaza azy ho ratsy na inona na inona ao amin'ny vatany, izay mifanohitra amin'ny hatsaran-tarehy. Satria Allah ilay Tsitoha no namolavola ny tarehiny sy ny tenan’ny olombelona, ary nanatsara ny zavatra noforoniny, ary ny fanakianana ny zavaboary dia midika ho fanakianana ny Mpahary, sanatria anie izany.
Fahadimy : Aza ilaozana izy afa-tsy eo am-pandriany, aza miala aminy, ary aza mifindra any an-trano hafa. Izany angamba no mitranga matetika amin'ny fisarahana eo amin'ny mpivady.