+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«مَنْ كَانَتْ لَهُ امْرَأَتَانِ فَمَالَ إِلَى إِحْدَاهُمَا، جَاءَ يَوْمَ الْقِيَامَةِ وَشِقُّهُ مَائِلٌ».

[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي والنسائي وابن ماجه وأحمد] - [سنن أبي داود: 2133]
المزيــد ...

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Izay manam-bady roa ka mitongilana any amin’ny anankiray amin’izy ireo, dia ho avy izy amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty dia mitongilana”.

[Mari-pototra] - [رواه أبو داود والترمذي والنسائي وابن ماجه وأحمد] - [Sonan Abo Daòd - 2133]

Ny fanazavana

Milaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa izay manam-bady mihoatra ny iray ary tsy mitondra ny vadiny araka izay azo atao, toy ny fitoviana eo amin'izy ireo amin'ny fandaniana, trano fialofana, fitafiana ary trano fonenana, dia ny sazy ho azy amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty dia mitongilana ny antsasaky ny vatany, ary ny fitongilanana dia sazy noho ny tsy rariny nataony, toy ny nironany tamin'ny fitondrany azy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Adidy amin’ny lehilahy ny mizara ny vadiny roa na ny vadiny maro, ary fady amin’izy ireo ny manome vahana ny iray amin’izy ireo mihoatra noho ny iray, amin’izay azony atao amin’ny fandaniana vola, mandany ny alina, amin’ny fitondran-tena tsara, sy ny toy izany.
  2. Ny fitovian-jo eo amin’ny fisaratsarahana sy ny toy izany, raha ny amin’izay ananan’ny olona iray, fa ny amin’izay tsy ananany, toy ny fitiavana sy fironan’ny fo, dia tsy tafiditra ao anatin’ny hadith, ary izany no tiana ho lazaina ao amin’ny Tenin’ilay Tsitoha manao hoe : {Ary tsy ho vitanareo mihitsy ny hampitovy eo amin’ny vehivavy, na dia miady mafy hanao izany aza ianareo} [An-Nisa: 129].
  3. Ny valisoa dia mitovy amin'ny asa, satria rehefa nitongilana tamin'ny vady iray ho amin'ny iray hafa eto an-tany ny lehilahy iray dia ho avy izy amin'ny Andron'ny Fitsanganana amin'ny maty miaraka amin'ny antsasany roa mitongilana amin'iray hafa.
  4. Fanamafisana ny zon’ny mpanompo, ka tsy ho leferina; Satria mifototra amin'ny tsy fahampiana sy ny fanadihadiana.
  5. Tsaratsara ny fijanonana amin'ny vehivavy iray, raha matahotra ny tsy hampihatra ny rariny amin'ny vadiny ny lehilahy. Sao latsaka amin’ny tsirambina ny finoana; Hoy Allah ilay Tsitoha : {Ary raha matahotra ianareo sao tsy ho marina, dia iray ihany.} [An-Nisa: 3].
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Nepalianina Aldoria Romaniana Hongariana الموري Kanadianina الولوف Okranianina الجورجية المقدونية الخميرية الماراثية
Fanehona ny dikanteny