عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِنَّ اللَّهَ تَجَاوَزَ عَنْ أُمَّتِي مَا حَدَّثَتْ بِهِ أَنْفُسَهَا، مَا لَمْ تَعْمَلْ أَوْ تَتَكَلَّمْ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 5269]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Eny tokoa, tompo Allah dia mamela ny vahoakako amin'izay nobitsibitsin'ny fony, raha mbola tsy nanao na niteny izany izy."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 5269]

Ny fanazavana

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo dia tsy ho voasazy amin'ny fisainana ratsy ao an-tsainy alohan'ny hanaovany izany na ny hitenenany azy, satria Allah dia nanaisotra ny ratsy sy namela heloka, ary ny vahoakan'i Mohammad (S.A.W) dia tsy ho voasazy amin’izay zavatra ao an-tsaina sy fisalasalana ao amin’ny fanahiny raha tsy nahazo toky sy niorim-ponenana ao aminy izany; Fa raha efa mitoetra sy raikitampisaka ao am-pony izany toy ny fanambonian-tena, na fireherehana, na fihatsarambelatsihy, na koa nataony tamin'ireo rantam-batany, notenen’ny lelany, dia hazoany fahotana izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Allah dia namindra fo sy namela amin'ny eritreritry ny fanahy sy novisavisain'ny saina, ka mety hiresaka izany ao am-pony ny olona iray na handalo any an-tsainy.
  2. Ny fisaraham-panambadiana, raha misy olona mieritreritra izany sy mandalo ao an-tsainy, nefa tsy niteny na nanoratra izany izy, dia tsy heverina ho fisaraham-panambadiana izany.
  3. Tsy voasazy ny olona iray noho ny eritreriny ao am-pony, na dia lehibe toy inona aza izany, raha mbola tsy raikitam-pisaka ao aminy sy nataony na noteneniny.
  4. Ny fahalehibiazan'ny vahoakan'i Mohammad (S.A.W) amin'ny fanasokajiana azy sy fiavahany manokana tsy ho voasazy amin'izay eritreriny ao an-tsainy, tsy tahaka ireo vahoaka talohantsika.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Indoneziana Fanampiny (49)
Fanampiny