+ -

عَنْ أَبِي الدَّرْدَاءِ رضي الله عنه أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«مَا شَيْءٌ أَثْقَلُ فِي مِيزَانِ الْمُؤْمِنِ يَوْمَ القِيَامَةِ مِنْ خُلُقٍ حَسَنٍ، وَإِنَّ اللَّهَ لَيُبْغِضُ الفَاحِشَ البَذِيءَ».

[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي] - [سنن الترمذي: 2002]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Darda (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) :
“Tsy misy zavatra mavesatra indrindra eo amin'ny mizanan’ny mpino amin’ny andro farany mihoatry ny toetra tsara, ary halan’I Allah ny vetaveta sy tsy fahamendrehana”.

[Mari-pototra] - [Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì]

Ny fanazavana

Manambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ny asa sy ny teny mavesatra indrindra amin'ny mizanan'ny mpino amin'ny andro farany dia ny toetra tsara, izany dia ny fanehoana tarehy tsara, fampitsarahana ny ratsy ary ny fiezahana amin'ny fanaovana asa soa. Halan’I Allah Ilay Tsitoha ny manao ratsy amin'ny asany sy teniny, ary ny fahavetavetana avoakan'ny lelany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha zava-dehibe ny amin'ny fananana toetra tsara; Satria manome ny tompony ny fitiavana an’I Allah sy ny fitiavan’ireo mpanompony, ary izany no zava-dehibe indrindra ho lanjaina amin’ny andro farany.