عَنِ الْبَرَاءِ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«مَا مِنْ مُسْلِمَيْنِ يَلْتَقِيَانِ فَيَتَصَافَحَانِ إِلَّا غُفِرَ لَهُمَا قَبْلَ أَنْ يَفْتَرِقَا».

[صحيح بمجموع طرقه] - [رواه أبو داود والترمذي وابن ماجه وأحمد] - [سنن أبي داود: 5212]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Barra (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tsy misy mpino silamo roa mifanena sy mifandray tànana afa-tsy hoe mahazo famelan-keloka alohan'ny hisaran'izy roa."

[Marina amin'ny fomba nitaterana rehetra] - [Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad] - [Sonan Abo Daòd - 5212]

Ny fanazavana

Nanambara ny Mpaminany (S.A.W) : Raha misy mpino silamo roa mifanena amin'ny làlana na ny toy izany, ka miarahaba ny iray amin'ny fifanomezan-tànana ny iray hafa, dia havela ny helok'izy roa alohan'ny hisarahan'izy roa ara-batana na rehefa nanala ny tànany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsaratsara ny mifandray tànana rehefa mifanena, ary famporisihana amin'izany.
  2. Hoy i Al-Manawi : Tsy azo ny fahasoavan'ny Sonnah raha tsy amin'ny fametrahana ny tànana havanana eo amin'ny tànana havanana, raha tsy misy fialan-tsiny.
  3. Famporisihana hanaparitaka ny fiarahabana, ary fanazavana lehibe momba ny valisoa azon'ny mpino silamo nifandray tànana tamin'ny rahalahiny silamo.
  4. Navahana amin'ny hadith ny fifandraisan-tànana voarara, toy ny fifanomezan-tànana amin'ny vehivavy vahiny.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (43)