عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«قَالَ اللَّهُ عَزَّ وَجَلَّ: يُؤْذِينِي ابْنُ آدَمَ يَسُبُّ الدَّهْرَ وَأَنَا الدَّهْرُ، بِيَدِي الأَمْرُ أُقَلِّبُ اللَّيْلَ وَالنَّهَارَ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 4826]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
“Hoy Allah ilay Tsitoha : Manozona Ahy ny zanak’i Adama, amin'ny fanompana ny loza, nefa izaho no tompon'ny loza, ary eo am-pelatanako ny raharaha rehetra ka manova ny alina sy ny andro Aho.
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 4826]
Nitatitra ny Mpaminany (S.A.W) fa Allah Tsitoha dia miteny ao amin'ny hadith masina manao hoe : Manimba sy manao tsinontsinona Ahy ny olona manozona sy manao tsinontsinona ny fotoana iavian'ny loza sy ny ratsy; Satria Izy ilay be Voninahitra, Izy irery ihany no mitantana sy mandrindra ny zava-mitranga. Ny fanompana ny fotoana dia fanozonana an’I Allah Tsitoha, ary ny fotoana dia zavaboary voafehy, izay misy ny zava-mitranga avy amin’ny didin’I Allah Tsitoha.