عَنْ أَنَسٍ رَضيَ اللهُ عنه قَالَ:
كَانَتْ عَامَّةُ وَصِيَّةِ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ حِينَ حَضَرَهُ الْمَوْتُ: «الصَّلَاةَ وَمَا مَلَكَتْ أَيْمَانُكُمْ، الصَّلَاةَ وَمَا مَلَكَتْ أَيْمَانُكُمْ»، حَتَّى جَعَلَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يُغَرْغِرُ بِهَا صَدْرُهُ، وَمَا يَكَادُ يُفِيضُ بِهَا لِسَانُهُ.
[صحيح] - [رواه النسائي في السنن الكبرى وابن ماجه] - [مسند أحمد: 12169]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny :
Ny hafatra ankapoben'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa tonga taminy ny fahafatesana dia : “Ny Swalat sy izay eo ambany fahefanareo, mandra-pahatongan'ny Mpaminany niala aina sy sempotra tamin'ny tratrany, ary saika tsy nahavita namoaka izany ny lelany.
[Mari-pototra] - - [Mosnad Ahmad - 12169]
Ny ankamaroan'ny didin'ny Mpaminany (S.A.W) ho an'ny vahoakany fony izy teo amin'ny fahorian'ny fahafatesana, dia izao : Manolora tena amin'ny fivavahana ianareo ary mifikira amin'izany, ary aza manao tsinontsinona izany, ary tanteraho koa ny zon'ireo ambany fahefanareo amin'ny andevo lahy sy vavy, dia naveriny hatrany mandra-pialàn'ainy teo amin’ny tendany, ary zara raha nanonona izany ny lelany.